Sosialy

Ramena Antsiranana Voay 3 nanetsehana ny komandon’ny 2ème RFI


  • Alatsinainy 16 Desambra 2019

Nahitana voay telo lehibe nihaodihaody tany amin’ny sisin-dranomasin’i Ramena any Antsiranana ny faran’ny herinandro teo.

 

 

 

 

Efa nanaikitr’olona mihitsy izy ireo, hoy ny vaovao saingy avotra soa aman-tsara ireto farany. Nampandre ny mpitandro ny filaminana avy hatrany ny fokonolona noho io tranga io ka raikitra ny sava hao natao tamin’ireo voay. Raha tsiahivina, anisan’ny toerana be mpitsangatsangana i Ramena, indrindra fa rehefa faran’ny herinandro. Voatery niantsoana mpitandro ny filaminana izany ka ireo avy ao amin’ny 2 eme RFI no tonga niambina teny an-toerana. Tao Ampasira no nanombohan’izy ireo ny asa mitohy any amin’ny Montagne. Tanjona ny hiarovana ny ain’ny mponina, indrindra fa ireo ankizy efa zatra milalao ranomasina ao Ramena rehefa faran’ny herinandro. Mbola nitohy ny fikarohana ireo voay hatramin’ny fotoana nanoratanay omaly.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT