Sosialy

Ramatoa Rafara Tsy avelan’ny mpampiasa azy miasa raha tsy mahavita fitiliana


  • Alakamisy 29 Aprily 2021

Renim-pianakaviana iray mpiasa an-tranon’olona Ramatoa Rafara. Tamin’ny herinandro anefa dia nitaraina ho tsy mahare fofona sy mafana hoditra izy ka tsy

 

  navelan’ireo mpampiasa azy hiasa intsony raha tsy mahavita test. Teny amin’ny Village Voara Andohatapenaka izy araka izany no nandeha izay nomarihiny fa lany andro 2 teo ho eo vao voaray noho ny hamaroan’ny olona. Ankehitriny miaina anaty tebiteby mafy indray ny tenany miandry ny valin’izany. Eo am-piandrasana fiantsoana avy amin’ny tompon’andraikitra mantsy ity Renim-pianakaviana ity izay nomarihiny fa tsy mampandry andro aman’alina mihitsy noho ny tahotra. Miakatra hatramin’ny tosi-drany raha araka ny fanazany. Eo an-daniny anefa hoy izy raha sanatria ka tratry ny valan’aretina Covid 19 aho dia hatahorako ihany koa ny ain’ireo zanako roa raha tsy afaka ny hampiasa ahy intsony ihany koa ireo mpampiasa ahy satria mbola kely anaka ihany koa. Marihina moa fa mbola olona marobe no milahatra hanao tets eny amin’ny Village Voara amin’izao ka ny ankamaroan’izy ireny dia mpiasa eny anivon’ny orinasa avokoa.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT