Sosialy

Ramamonjisoa Haja Mbola mila fanatsarana ilay lalàna momba ny toaka gasy


  • Alatsinainy 22 Jona 2020

Tsy mitsipaka ny tolo-dalàna mikasika ny Toaka Gasy vao nolanian’ireo sololmbaavmbahoakan’i Madagasikara tamin’ny herinandro lasa teo araka ny tolotra avy amin’ny depiote vaofidy tany Ikongo izahay,

 

 

 

hoy Atoa Ramamonjisoa Haja filohan’ny Ong Ny Sahy sady mpikambana ao amin’ny kaomisiona nasionaly miady amin’ny alikaola, fa milaza kosa fa mila fanatarana ny andinindininy voalaza ao anatin’io tolo-dalàna io. Tsy misy afa-tsy ny mikasika ny fanamboarana azy sy ny fahazoan-dalana mamokatra sy mivarotra malalaka an’ity vokatra ity mantsy no voalaza ao amin’io tolo-dalàna io, hoy izy, ary ny minisiteran’ny varotra no tena voatonontonona betsaka ao anatiny fa ny minisiteran’ny fahasalamana tsy mba voatonona ao mihitsy amin’ny fijerena manokana ny fahasalamam-bahoaka manodidina ny fanjifana an’izay Toaka Gasy izany. Mazava tsara ao amin’ny lalàna 61-053 ny fiarovana ny ankizivavy manoloana ny fidorohana zava-mahamamo sy ny fivarotana azy izay tsy hita soritra ao anatin’ity tolo-dalàna ity mihitsy. Tsy hita ao anatin’ity tolo-dalàna ity ihany koa, hoy izy, ny amin’ny hoe : misy fahazoan-dalana manokana ve ny fivarotana ny Toaka Gasy manomboka izao ary amin’ny firy ka hatramin’ny firy izy io no azo varotana ? Tsy ahitana andininy milaza fanasaziana « pénale » mihitsy ao anatin’ity tolo-dalàna ity amin’ny ankapobeny. Mbola maro araka izany, hoy Atoa Haja Ramamonjisoa ny zavatra azo hifampiresahana mikasika an’ity tolo-dalàna ity raha ny hevitray.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT