Ralaiarimanana

«Maika ny fanaraha-maso ireo sakafo miditra eto Madagasikara!»


  • Talata 29 Jolay 2025

Voan’ny sangodim-panina tahaka ny valala voatango ankehitriny ny vahoaka malagasy

manoloana ny raharaham-pirenena, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana. Tsy ny tany Ambohimalaza ihany izao, hoy izy, no nahenoana ny resaka fanapoizinana na fahapoizinana ara-tsakafo fa nisy tany Fianarantsoa, Toliara, Toamasina, maromaro ireo toerana nisian’ny tranga. Mitady ny fandraisana andraikitra marina ny vahoaka manoloana ireny satria ny isan’ny mampalahelo dia ny manjo ireo mpivarotra sakafo ihany koa, izay any amin’ny toeram-pivarotana vao tratra ireo sakafo tsy milamina nefa ny tena andrasana dia hoe iza ireo mpamatsy izany sakafo lany daty izany? Misy fanjakàna marina ve eto amintsika? Aiza ny fiaraha-miasan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa sy zon’olombelona? Ahoana no hahatafidiran’ireny sakafo ireny ao amin’ny ladoany? Araraotin’ny olona ny fahantrantsika. Mila miezaka ny fitondràm-panjakàna amin’ny famatsiana fitaovam-pamokarana ho an’ny tantsaha mba hahafahany mamokatra araka ny tokony ho izy sy hampihena ny fanafarana eto. Handray ny fihaonana an-tampon’ny SADC isika. Mety hihaotra ihany ireo vahiny ireo ho aty manoloana izay resaka sakafo tsy milamina izay. Angatahana amin’Andriamanitra na izany aza mba ho tanteraka soamantsara io fihaonana an-tampony io raha mahasoa ny firenena. Maika, noho izany, ny fanaraha-maso ireo sakafo miditra eto Madagasikara! Ara-dalàna ve izy ireny sa tsia, hoy hatrany ny tenany?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT