Sosialy

RAJAONARIVELO MAMY Atahoran’ny sasany ny fanarenana entin’ny TIM


  • Alatsinainy 06 Janoary 2020

Saika nisy nitory avokoa ireo kandida Ben’ny tanana natolotry ny antoko Tiako I Madagasikara ka nivoaka ho mpandresy tamin’ny fifidianana farany teo. N

itondra fanazavana mahakasika izany Rajaonarivelo Mamy, lefitry ny Ben’ny tanana Lalao Ravalomanana ka nambarany fa ny fanarenana entin’ny TIM ho enti-mampandroso ny firenena no tena tsy tantin’ireo mpanenjika ka izay no mahatonga izany. Raha manao zavatra mantsy ny TIM hoy izy dia tsy mikendry afa-tsy ny hampandroso ny firenena sy hanandratra avo azy fa tsy hanaotao foana kosa. Ny fanjakana ankehitriny kosa hoy izy na dia manao zavatra aza dia hita fa tsy mampandroso ny firenena izany fa vao mainka manakorontana aza. Notsindrian-dRajaonarivelo Mamy moa fa tsy miova ny foto-kevitra hijoroan’ny TIM sy ny fomba fijerin’izy ireo hatreto dia ny hanarina ireo lesoka tsy mety eto amin’ny firenena miainga eny ifony mba hisy fiantraikany amin’ny isam-baravarana izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT