Sosialy

Raim-pianakaviana maty teny Bevalala Zandary no ahiana ho namono azy


  • Alarobia 08 Janoary 2020

Resaka vola 2.000 Ar tsy ampy, tokony ho naloan’i José, raim-pianakaviana tamina mpivarotena iray nalainy no nidarohan’ny

 

zandary azy ka namoizana ny ainy ny alahady lasa teo tamin’ny 03 ora maraina, raha ny filazan’ny fianakaviany. Ny sabotsy hariva tokony ho tamin’ny 06 izy no niharan’ny daroka raha araka ny fanazavan’ireo fianakaviany tamin’ny mpanao gazety, omaly. Nandeha ra ny orony, ny sofiny ary ny fitombenany. Zandary mpiambina ny piste ao Bevalala no nidaroka azy. Ramatoa iray tanàna amin’ity raim-pianakaviana namoy ny ainy ity no nahita ny zava-nitranga ka nanatitra azy nody tany an-tokantranony. Anton’ilay famonoana moa raha tsiahivina ny fisiana mpivarotena iray izay  nikiakiaka nanaraka an’i José avy any aoriana ary nilaza fa ananany vola 2.000 Ar ka nampitroatra ilay zandary nikasi-tanana ity farany hoy ireo nanatri-maso. Mangataka ny hanaovana autopsie ny razana moa ny rain’Itompokolahy hahafahantarana ny tena marina sady miantso ny jeneraly Ravalomanana, sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena mba hijery akaiky izao raharaha  vono olona izao. Raha fanendrikendrehana dia miaro ny zandary izahay fa raha tena nanao ratsy izy mihatra aminy ny lalàna eto Madagasikara. Araka ny fanambaran’ny lehiben’ny Vondrotobim-pileovana Analamanga, omaly teny Ankadilalana

Pati  sy Haja Nirina

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT