Raikitra ny fitakiana fampiakaran-karama

30% ho an’ny mpiasam-panjakana, 100euros ho an’ny tsy miankina


  • Talata 03 Jona 2025

Vahiny manokan’ny fandaharana Bemiray eo anivon’ny onjam-peo Top Radio FM 102.8

ny Filohan’ny Valaben’ny Sendika eto Madagasikara na ny SSM (Solidarité Syndicale de Madagascar) sady Filohan’ny Sendikan’ny mpiasan’ny fadin-tseranana na SEMPIDOU Atoa Herizo Andrianavalona. Nasongadiny tao anatin’izany, fa tena marary ny mpiasa Malagasy, tsy mifanaraka amin’ny zavatra iainan’ny vahoaka intsony ny karama. Mitaky fampakaran-karama 30% ho an'ny mpiasam-panjakana, 100euros ho an'ny tsy miankina noho izany ny SSM. Ambany ny fahefa-mividy, sahirana ny olona, ny karama farany ambany 262 680Ar eto Madagasikara, izay eo amin’ny 55euros eo. Tsy mifanaraka amin’ny zava-misy intsony, tsy mitsahatra mitotongana ny fiainan’ny mpiasa. Tany amin’ny taona 2018, mahazo vary 100kg ny karama farany ambany, fa aty amin’ny 2025 eo amin’ny 70kg eo sisa no azony. Tao anatin’ny 3 taona anefa ohatra, dia tsy nisy fikitihana sy fijerena ny resaka fampiakaran-karama. Na ilay 100 dolara resahan’ny Filoham-pirenena aza tsy ampy, kanefa mbola ambanin’io no raisin’ny mpiasa, ka nanamafisany ny fitakiana sy fanambarana efa nataon’izy ireo ny 01 mey ny hametrahana an’izay karama farany ambany izay. Hisy ny dingana samihafa hataon’ny SSM hanamafisana izay fangatahana fampiakaran-karama izay. Andaniny anefa, betsaka ireo antso sy fihaonana natao hatramin’izay tamin’ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany, tao anatin’ny fotoana naharitra, saingy endrika fifanilihana andraikitra no betsaka, toy ny hoe : manatona ny Minisiteran’ny asa sy ny lalàna sosialy, dia milaza fa tsy tompon’andraikitra amin’izany fa ny Minisiteran’ny vola no miandraikitra an’izany. Manatona ny Minisiteran’ny vola dia milaza ny ao fa ny Filoham-pirenena no tompon’ny teny farany amin’izany. Mangataka fihaonana amin’ny Filoham-pirenena dia tsy mety voaray, fa ny Sekretera Jeneraly na ny Talen’ny serasera na olon-kafa no mandray, izay angady tsy mahatapaka ahitra. Misy indray ny fangatahana sy tolo-talàna samihafa apetraka eny amin’ny Antenimiera, saingy misy ny miaiky mihitsy fa misy tsindry sy baikon’ny mpanatanteraka, hany ka toa tsy misy fisaraham-pahefana. Tsy mihemotra anefa ny SSM fa manamafy ny fitakiana.
ATSAHARO NY FAMOTEHANA IREO ORINASA MALAGASY
Miaiky ity Filohan’ny SSM ity, fa betsaka ny tsy fahombiazana ara-toekarena sy sosialy eto, kanefa tsy mihaino ny mpitondra, fa manao izay handemena ny sendika amin’ny fomba rehetra, ny orinasa miha sahirana,... « Matetika ny mpandrahara Malagasy manatona ny tena, mampalahelo ihany ny tena fa misy toe-tsaina ezahana hanimbana ny mpandraharaha Malagasy. Eo ny resaka « redressement fiscal » hamelezana ireo orinasa sasantsasany manelingelina ny mpitondra, fa eo ihany ny fanaovana jirika, ka rehefa tsy tratra amin’ny Bianco dia tsongolohana daholo ny taratsay rehetra. Ny fanomezana asa ny olona dia tsy tokony hijerena loko politika, fa avela misokatra daholo ny orinasa rehetra, fa ny fampanarahan-dalàna no atao », hoy i Herizo Andrianavalona. Nahitsy i Herizo Andrianavalona naneho fa mila fanaovazana na « réforme » ihany koa ny Fitsarana satria mbola baikon'ny mpanatanteraka, betsaka ny fitarainana, ilay natao ialokalofan’ny malemy lasa anjakan’ny be vola,... Milaza ny tsy mety fa kosa mipetraka ho vahaolana ny Sendika ary tsy tokony horaisina ho fahavalo politika, hoy ny fanamarihana.
AHENAO 10% NY TVA
Ara-toekerana, soso-kevitra narosony ny tokony hampihenana ho 10% ny TVA (Taxe sur la Valeur Ajoutée) hitsinjovana ny mpanjifa izay anatiny ny mpiasa satria betsaka ihany koa ireo orinasa manafatra akora fototra avy any ivelany. Amin’ny maha mpiasan’ny fadin-tseranana azy, naneho ity Filohan’ny SSM ity, fa tsy ampy isa ry zareo « douaniers » vita fianarana, ny taona 2021 no nisy fandraisana farany, mangataka « postes budgétaires » fa tsy misy valiny. Ao amin’ny seranam-piamanidina Ivato, eo amin’ny 40 eo no miandraikitra kanefa ny toerana tena midadasika. Sahirana rehefa mifanindry ny sidina tonga sy ny hanainga. Nisy ny fangatahana amin’ny fametrahana fitaovana fanaraha-maso any amin’ny fidiran’ny fiara izay tsy fantatra intsony izay tena zavatra miditra, saingy tsy misy valiny. Mikasika ny adihevitra manodidina ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, efa nisy ny vola azo tamin’ny QMM, Ambatovy, Wisco,… fa nampivoatra ny toekerana ve ? hoy i Herizo Andrianavalona.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT