Raharahan-tany eto Antananarivo

Tsy ampy ny fampahafantarana


  • Alatsinainy 08 Desambra 2025

Tontosa ny faran’ny herinandro teo tetsy

Anosy ny varavarana misokatra mikasika ny raharahan-tany eto Antananarivo. Ny 1 Desambra 2025 izany varavarana misokatra mikasika ny raharahan-tany izany no efa natomboka manerana an’i Madagasikara, hoy ny fanazavàna. Ezaka manokana ataon’ny fitondràm-panjakàna amin’ny alalan’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny raharahan-tany ho amin’ny fangaraharahàna sy fampahafantarana ny olompirenena ny fomba ahafahana misitraka ny zo fototra amin’ny resaka fananan-tany. Ho an’ny faran’ny herinandro teo manokana dia mikasika ny fangaraharahana amin’ny vola tokony aloha amin’ireo asa atao eny anivon’ny fananan-tany ny hetsika. Efa maro ireo ezaka sy dingana ataon’ny minisitra miaraka amin’ny fitondràm-panjakàna amin’ny fampihenana ny ady amin’ny resaka fananan-tany eto Madagasikara. Mbola misy nefa ny tsy ampy mikasika ny fampahafantarana ireo dingana atao amin’ny resaka fananan-tany mba hisian’ny mangarahara ary hanamafisana ny fiarovana tany na «sécurisation foncière». Misokatra foana, araka izany, ny biraon’ny minisitera eo anivon’ny sampan-draharahan’ny fananan-tany hampahafantatra ireo olompirenena ny zony fototra amin’ny resaka fananan-tany aorian’izao varavarana misokatra izao, raha ny fanazavàna sy fampitàm-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT