Sosialy

Raharaha varo-jaza any Ikongo Tratry ny tambabe ny fitondrana


  • Alatsinainy 16 Janoary 2023

Tratry ny tambabe ankehitriny ny fitondrana manoloana ny tsy fahazavan’ity raharaha varo-jaza any amin’ny distrikan’Ikongo sy ny tapany atsimo atsinanan’ny firenena araka ny nambaran’ny depioten’Ikongo, Jean Brunelle Razafitsiandraofa ity.

Raha tsiahivina moa ny fanazavan’ireo solontena avy eo anivon’ny fitondram-panjakana dia boribory amin’ny hoe “tsy misy an’izany” no valintenin’izy ireo. “Tsy soatoavina malagasy izany”. Hatramin-dry depiote Paulbert Ramasimanana na Rossy nananatra ireo mpitondra hoe "nisy ve ny malagasy nanary zaza menavava tany an-gabone? Nisy ve reny malagasy nanary zanaka tamin’ny fomba samihafa? Nateriny teny am-bavahadin-ndry masera, nomeny vazaha na “adoption” ho tezainy? Nomeny fianakaviana fa tsy velony? Nisy ve vehivavy tsy bevohoka tsy naninona nefa mitaiza zaza menavava tampoka? Misy ve ray malagasy nanolana ny zanany vavy? Nisy ve reny malagasy namporisika ny zanany hanao makorelina na inona na inona antony, mivantana na tsia? Raha eny aby ny valiny dia misy gasy nivaro-janaka tompoko, hoy hatrany ny tenany, ary nampiany moa hoe izao no alehany rehefa tsy maka fotoana fa teren’ny Facebook. Miresaka soatoavina foana ny mpitondra saingy ny mampametra-panontaniana dia hoe firy isan-jaton’ny soatoavina malagasy moa no mbola voahaja ankehitriny ao anatin’izao fiarahamonina efa eken’ny maro ho mivahavaha izao? Na ny tale rejionalin’ny mponina tany Fitovavy aza efa tamin’ny oktobra 2022 no nizara tao amin’ny pejy Facebook-ny fa tranga nisy tany amin’ity faritra ity koa ny fivarotan-jaza toy io lazaina fa mitranga ao atsimo atsinanana ankehitriny io ary tsy olona iray fa maromaro no efa nanao izany tany an-toerana noho ny kere ary efa nisaorany fa nisy ny tomponandraikitra efa nandray an-tanana ny raharaha tamin’izany fotoana. Mitady porofo ny mikasika ny fisiana na tsy fisian’ity toe-draharaha ity moa ireo tomponandraiki-panjakana saingy fanontaniana mipetraka koa ny hoe afaka manaporofo koa ve ny fa tsia daholo no valin’ireo fanontaniana voalaza tetsy ambony rehetra voalaza teo?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT