Sosialy

Raharaha Tia Shop Analakely sy Tsaralalana Nasaina tsy mandoa hofantrano intsony ireo mpivarotra


  • Zoma 26 Aogositra 2022

Tonga tetsy amin’ny tranom-barotra Tia shop Analakely sy Tsaralalàna nampahafantatra an’ireo mpivarotra izay manofa ity toerana ity ny vadintany omaly maraina fa tsy mandoa hofan-trano intsony izy ireo manomboka izao noho

io toerana io izay mbola misy disadisam-pitsaràna mizotra ka hiandrasana valim-pitsaràna. Voaporofo avokoa ankehitriny ny hosoka sy fampiasàna hosoka nataon’ilay sinoa milaza fa mpitantana ka naka vola tamin’ireo mpivarotra nanofa ny toerana, hoy ny fanazavana. Miisa 120 ny tranoheva na ny Box fivarotana misy manofa eo amin’ny tranombarotra Tia shop Analakely ary miisa 140 izany ho an’ny ao Tsaralalàna. Na dia nisy aza ny didy mampiditra am-ponja miandry ny valim-pitsaràna ho an’ilay sinoa antsoina hoe Gu Feng, tamin’ny volana jolay dia mbola nitohy nandoa hofan-trano tany aminy ihany ireo mpivarotra eo Analakely sy Tsaralalàna. Nilaza ny vadintany fa tsy mandoa hofan-trano intsony manomboka izao ireo mpivarotra fa mampiasa maimaimpoana ny toerana mandram-pisy ny valim-pitsaràna. Manoloana ity tranga ity dia nilaza ny tompon-trano fa tsy hanaiky intsony izao tsindry hazo lena izao ary efa nitondra ny porofo rehetra ny hosoka nataon’ilay sinoa antsoina hoe Gu Feng. Efa any am-pelatanan’ny fitsaràna ny porofo rehetra ary efa nahoraka an-gazety ihany koa ny raharaha. Ankoatra izay rehetra izay dia nitondra sora-baventy mba ho fanairana ny fitsaràna Malagasy manoloana ity raharaha ity tetsy ivelan’ny tranom-barotra tetsy analakely sy tetsy tsaralalàna ireo tompon-trano. Notadiavin’ny mpanao gazety kosa fa tsy hita teny an-toerana ilay sinoa mpitaky ny hofan-trano.
J. Mirija
Legende: Nitokona ireo tompon-trano
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT