Sosialy

Raharaha Tahisy Olona 11 hatreto no efa nalaina am-bavany


  • Alakamisy 20 Febroary 2020

Anio alakamisy raha tsy misy ny fiovana no fantatra fa hiakatra fampanoavana etsy amin’ny lapan’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy ilay raharaha Tahisy,

 

 

 

 

 

 

renim-pianakaviana iray 21 taona namoy ny ainy teo am-piterahana ahiahiana ho niharan’ny herisetra izay nataon’ilay olon-tiany sady rain-janany vao 17 taona antsoina hoe : Fanantenana. Olona 11 isa hatreto no efa nalaina am-bavany Ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona etsy Tsaralalana kosa no mandray an-tanana ny raharaha. Anisan’ireny ireo fianakavian’i Tahisy sy ny fianakavian’i Fana ilay tovolahy olon-tiany sady rain-janany. Toraka izany koa ireo olona voasaringotra amin’ity raharaha ity toy ilay mpampivelona nampiteraka an’Itompokovavy, ny mpitsabo, ireo nanaparitaka ny vaovao tamin’ny tambajotran-tserasera. Nisy tamin’ireo olona ireo moa raha ny loharanom-baovao azo no afaka nody avy hatrany taorian’ny fanadihadiana natao taminy. Andrasana izay mety ho tohin’ny raharaha.

 

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT