Sosialy

Raharaha Tahisy Nidoboka eny Antanimora i Fanà


  • Zoma 21 Febroary 2020

Taorian’ny fiakarana fampanoavana omaly, dia nalefa any am-ponja vonjimaika i Fanantenana na i Fana olon-tian’i Tahisy niaraka

 

 

tamin’ilay mpitsabo iray izay voalaza fa nanome fanafody tsy ara-dalàna an’i Tahisy teo am-piterahana. Vita omaly ny fanadihadiana nataon’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona etsy Tsaralalana, mikasika ilay raharaha Tahisy sy Fana, izay nahabe resaka teto amintsika. Olona 14 raha araka ny fanazavan’ny kaomisera Fidy Andriamiandra no nataon’izy ireo fanadihadiana ka anisan’ireny ny fianakavian’Itompokovavy Tahisy ilay renim-pianakaviana 21 taona namoy ny ainy. Toraka izany koa ny fianakavian’i Fanantenana ilay tovolahy 17 taona olon-tiany niaraka tamin’ny mpampivelona, nandray an-tanana ity renim-pianakaviana ity tamin’ny fotoana nahavelomany sy ny vavolombelona.  Omaly ihany izy 14 ireo dia nalefa teny anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany  eny Anosy nalaina am-bavany izay marihina fa tsy nisy mpitory mivantana. Io izany ny fanapahan-kevitra fa dia nidoboka am-ponja vonjimaika ny olon-tian’i Tahisy sy ilay mpitsabo heverina ho nanao tsirambina ka nahafaty azy. Tsiahivina hatrany fa niova ny fomba firesaky ny renin’i Tahisy taorian’ny fidirana an-tsehatry ny fikambanana fitia tarihin’i Mialy Rajoelina vadin’ny filoham-pirenena satria tsapa ho somary nanatsotra resaka tany aloha, fa maty toy ny maty rehetra ity zanany. Nilaza indray izy taty aoriana fa tratry ny tsindrin’ny fianakavian’i Fana, ka niala tsiny tamin’ny zavatra nambarany tany aloha. Raha ny fifampiresahana tamina olona nifanerasera sy nahafantatra an’ity fianakaviana ity fony izy ireo tetsy Ambohitrarahaba, tsy nilamina ny fifampitondrana tao an-tokantrano. Nasiaka ny ray aman-dreny ary niaina tao anaty fahasahiranana. Rehefa niala tao an-tokantrano i Tahisy dia toa tsy nisy niasa saina. Toa zaran’ity tovovavy namoy ny ainy ity aza nahita hialofana tany amin’i Fana, ka niaritra na mafy sy mangidy ihany koa aza ny tany. Tetsy an-kilany, maniry ny hamindra ny nofo mangatsiakan’i Tahisy any amin’ny fasan-drazany ny fianakaviany. Tsy vita raharaha izy sy Fana fa fanajana no nanekena ny handevenana azy tany amin’ny fasan-drazan’ity farany noho izy ireo niaraka. Raha fijaliana tahaka izany no niainany ary mety tsy notiavina dia aleon’ny fianakaviany alaina, raha haravona ny fanehoan-kevitra omaly. Heverina hampitsikafona zavatra maro ity raharaha ity satria manomboka sahy mijoro eo anatrehan’ny herisetra ny olona, ary mety ho lasa fakan-tahaka amin’izay ity raharaha ity. Mety ho endrika voalohany isehoan’ny fampiharana ny lalàna miady amin’ny herisetra mitranga noho ny maha vavy na maha lahy, izay niteraka adihevitra goavana teto amintsika.

 

Pati sy Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT