Sosialy

Raharaha Kraomita Malagasy “Ao amin’ny minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany no olana”


  • Alatsinainy 28 Febroary 2022

Nahitsin’ny Randrana sendikaly ny sabotsy teo fa ao amin’ny minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany fa tsy angovo no olana mikasika ny raharaha kraomita Malagasy.

 Ny talen’ny kabinetran’ny minisitera misahana ny harena an-kibon’ny tany, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga, no tsy nety nandray ny Randrana sendikaly sy ireo mpiasan’ny Kraomita Malagasy ny zoma teo satria hoe tsy manam-potoana. Tsy azo heverina ho tompon’andraikitra ary mila handraisana fepetra raha ny olona heverina ho tompon’andraikitra toy izany, hoy izy, no milaza fa tsy maika ny raharaha Kraomita Malagasy. Mbola nanamafy moa ny tenany fa tsy maintsy hihaona amin’ny praiminisitra izay nampisahanina vonjimaika ity departemanta ity hahitana izay ho fanapahan-keviny mialohan’ny hanohizana na tsia ny tolon’izy ireo indray. Ankoatran’izay moa, ho fanamarihin’izy ireo ny andron’ny vehivavy dia hisy ny hetsika “Iray volan’ny tanora sendikaly” izay hanasan’izy ireo ny tanora rehetra handray ny andraikiny amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny valanaretina sy ho fanentanana ny rehetra hanao vakisiny mba hahafahana manao ny fiaingana ara-toekarena araka ny tokony ho izy, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
Legende: Ry zareo ao amin’ny Randrana sendikaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT