Sosialy

Raharaha fampijaliana an’i Speranto Hitory ny talem-paritry ny mponina any SAVA


  • Talata 26 Mey 2020

Tonga nijery ifotony an’i Speranto kely ny talem-paritry ny mponina any SAVA, taorian’ny vaovao niely mikasika ny fampijaliana nahazo azy nanomboka tamin’iny herinandro iny.

 

 

 

 

Fantatra tamin’izany fa na hitory na tsia ny rain’i Speranto, dia hametraka fitoriana ny avy ao amin’ny faritra. Tena voaporofo anefa fa tamin’ny fotoana nipetrahan’izy mianaka tao Besahona, kaominina Andapabe, dia tena nianjadian’ny herisetra sy fampijaliana tanteraka i Speranto. Ilay Rainy indray anefa no nitonon-tena ho nampijaly azy fa tsy ilay vadiny, hono, ary tsy misy hidiran’ity farany izany. Nilaza ny hiaro ity farany hatramin’ny farany mihitsy ny anaolahy raha misy ny fitoriana azy mandeha. Tsiahivina moa fa any Anjagnoveratra izy mianaka no izao nipetraka ao Besahona izao. Vadin’ity Rangahy ity faharoa io arovany mafy io, izany hoe : Renikelin’i Speranto.

Pati L

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT