Raharaha Bemahatazana Antsofinondry

Hanome tany 2 hektara ireo mponina


  • Alakamisy 29 Febroary 2024

ny orinasa sinoa Meiji Araka ny fifanarahana teo

anatrehan'ny fiadidiana ny repoblika dia hanome tany 2 hektara ireo mponina rava trano ny orinasa sinoa Meiji, ilay orinasa naka ny tany sy nandrodana ny tranon'ireo mponina teny Bemahatazana Antsofinondry, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Mandeha ny fandaminana momba izany, araka ny nambaran'ny solotenan'ny mponina. Tsiahivina fa trano manodidina ny 15 isa no narodan’ity orinasa ity teny an-toerana ny herinandro teo. Nisy tamin’ireo mponina no tapaka lalan-drà, safotra, very fanantenana tanteraka, mazava ho azy, nanoloana ny zava-niseho. Isan’ny fanontaniana apetraky ny mpanara-baovao, noho izany, ny hoe nandrasana hiharan’izany rehetra izany ve ireo mponina vao mody hoe omena tany? Aiza izany izy ireo no hipetraka? Izay ve no mba fandraisana andraikitra mba hitan’ny fitondram-panjakana ho azo atao azy ireo? Tena hamaha ny olan’ireo tokantrano ve izany?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT