Raharaha Bas Mangoky

Miitatra ny disadisa eo amin’ny fikambanana FIMA


  • Talata 30 Janoary 2024

Nanao fanambarana omaly ireo mpikamban’ny FIMA na Fikambanan’ny masikoro

Arivolahy ao Atsimo andrefana rehefa nandalo tao amin’ny foibe nasionalin’ny FIMA izay tsy nanakana izao hetsika izao, raha ny fanambaran’izy ireo. Misaotra ny fitondram-panjakana izahay, hoy izy ireo, ny amin’ny zanakay ao amin’ny governemanta. Tsy avy amin’ny FIMA ny fanambarana nataon’andriamatoa Elia Rabevahiny ao amin’ny Otrikafo izay lazainy fa avy amin’ny FIMA. Voizina ao amin’ny tambazotran-tserasera izany, ary indrindra, ny fanonontononana anaran’olona izay tsy manaja ny zon’ny ahiahiana na “présomption d’innocence” miendrika fanendrikendrehana tsy hananana porofo. Tohina izahay amin’izany zavatra izany. Mety misy ny olana momba ny tanin’i Bas Mangoky. Manao zavatra tsy mora fa izany dia midika voapetraka ny lamina mikasika ny fizaran-tany atao any. Miaraka aminay eto dia misy solontenan’ny CAT na “Commission de distribution des terres” izay tomponandraikitra amin’izany ary nanazava tsara taminay ny toe-javatra misy any. Aoka isika hiandry ny valin’ny fanadihadiana, hoy hatrany izy ireo! Tetsy ankilany dia nilaza moa ny filohan’ny antoko politika Otrikafo fa norahonana ho samborina ny tenany ary noterena hanao fandisoana na “démenti” izay voalazany momba ity raharaha Bas Mangoky ity saingy tsy hiverina amin’izay voalazako aho, hoy izy. Miitatra araka izany ny disadisa eo amin’ny fikambanana FIMA manoloana ity raharaha Bas Mangoky ity.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT