Sosialy

Raharaha Andavamamba Saika hodorana teny Alakamisy Fenoarivo ilay fatin-dehilahy


  • Talata 07 Janoary 2020

Olona efatra, telolahy sy vehivavy no natolotra ny Fitsarana omaly taorian’ilay vono olona feno habibiana nitranga tamin’ny 01 Janoary lasa teny Andavamamba tamin’ny 07 ora maraina.

 

 

 

Raha araka ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana dia ilay Renin-janak’ity raim-pianakaviana namoy ny ainy ity ihany no nahavita namono azy niaraka tamin’ny olon-tiany miaraka aminy amin’izao fotoana izay tratra teny Ambohidrazana Alakamisy Fenoarivo ny 02 Janoary lasa teo, niaraka tamina lehilahy iray namany. Efa nahatratra valo taona ny fiarahan’izy ireo, raha ny fantatra ary zaza iray no hikambanany. Efa herinandro kosa no nanomanana ny famonoana. Novelesiny tamin’ny “bois rond” ny lohan’ilay lehilahy rehefa nafaran’ilay Renin-janany tany an-tokantranony tamin’io 01 Janoary io, notsindrominy tamin’ny asidra sy formol izy taorian’izany ary nofatorana sy nofonosina tamin’ny sachet plastika  mba tsy ho maimbo ary efa nampatoriany tao an-trano, talohan’ny nikasany handoro ny razana tany Alakamisy Fenoarivo. Mbola tratra tao anatin’ilay taksi mantsy ny lasantsy 4 litatra natao tao anaty bidon. Raha araka ny fanazavan’ny pôlisy omaly hatrany moa dia noho ity Raim-pianakaviana ity izay nandrahona ny hamono io Renin-janany io hatrany raha vantany vao manam-bady lehilahy hafa ity farany no tena anton’ilay famonoana. Ilay lehilahy maty anefa teo an-daniny efa manam-bady. Ilay Ramatoa sy ilay mpamily ny taksi moa no nosamborina voalohany raha tsiahivina. Iray andro taorian’io indray no tratra ilay olon-tiany sy ny naman’ity farany raha mbola olona iray no tadiavina fatratra amin’izao fotoana izao.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT