Re izao fa may volon-tratra ny ao an-dapa, indrindra fa ny ekipa eny Ambohitsorohitra izay misy ny departemanta serasera eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika na ny Prezidansa.
Ny fihetsiketsehana nataon’ny mponin’Ambohitrimanjaka ho fanoherana ny fanotofana tanimbary noho ny fananganana ilay tanàna goavambe Tanà-masoandro no fantatra fa anton’izao fikoropahana izao. Hetsika ampilaminana no nataon’ireo mponina avy eny Ambohidrapeto, Ambohitrimanjaka, Ankadimanga, Fiombonana,… Niainga teny Mahitsy Ambany ny diabe hatreo amin’ny sampanana Ambohitrimanjaka. Naseho tamin’ny alalan’ny sorabaventy ny tsy fankasitrahany, toy ny hoe : ” Tsy manaiky ny hanotorana ny tanimbarinay izahay tantsaha eto amin’ny kaominina Ambohidrapeto – Fiombonana”, “Projet Tanamasoandro dehors !” “Non au remblai de nos rizières !” “Tsy manaiky ny hanotorana ny tanimbarinay eto Ambohitrimanjaka”, “Tsy ekena ny fanotofana ny tanimbarinay satria tsy mifanaraka amin’ny politikam-panjakana izany, izay milaza fa hampitombo ny fambolena vary !”, “Izahay vahoaka eto Lehilava Ambohitrimanjaka dia tsy manaiky ny hanotofana ny tanimbarinay”, “Fokontany Beloha – Tsy manaiky ny hanotofana ny tanimbarinay eto Ambohitrimanjaka”, “Tsy ekenay totofana ny tanimbarinay Ataovy any amin’izay tianareo amindrana azy ny Tanamasoandro”,…
Mifamome tsiny
Re fa efa mandeha sahady ny fifanomezan-tsiny eo amin’ireo samy mpiara-miasa akaikin’ny filoham-pirenena. Raha tena mafy tokoa mantsy ny serasera mialoha sy nandritra ny propagandy dia hita ho niha maivana izany rehefa tena tonga teo amin’ny fitondrana tokoa i Andry Rajoelina. Vaky vava mihitsy ny mpanara-baovao hoe : sao dia any amin’ny resaka fikarakarana lanonana tokoa aza no manavanana an-draprezy sy ny ekipany fa raha serasera any anaty politika dia sahirana ry zareo. Maivana tokoa mba tsy ilazana hoe tsy nisy ny serasera fanazavana sy fandresen-dahatra tena matotra momba ny tetikasa “Tanàmasoandro” ary na ny velaran-tany asiana izany aza dia efa manjavozavo hoe firy hektara marina. Azo natao tsara anefa dieny vao tonga teo amin’ny fitondrana ny volana janoary 2019 ny nanao serasera faran’izay matanjaka sy nandamina izay tokony halamina rehetra fa tsy aty amin’ny volana septambra, ao anatina vidim-piainana efa tena mamay be sy fotoanan’ny fanadinana (BEPC, BACC..) vao hoe hihaona sy hiresaka amin’ireo mpandraharaha, mandresy lahatra ny isan-tokantrano sy isam-pianakaviana eny Ambohitrimanjaka sy ny manodidina. Hita tokoa fa mazoto mampiasa ny tambajotran-tserasera facebook ireo mpiara-miasa amin’ny filoham-pirenena saingy tsy any anaty facebook kosa angamba no handresena lahatra ny olom-pirenena amina tetikasa goavam-be sy mahakasika ny fiainana fianakaviana maro… toa manomboka miseho hatrany ilay nahian’ny maro hatramin’izay hoe sao lahy ka resaka kitaitaitra fotsiny no hakana fitondrana fa tsy vonona tsara akory ny ekipa sy ny mpiara-miasa, hany ka mampiseho fomba fiasa tsy matotra hatrany… ary maro ny fanapahan-kevitra hita mibaribary izao hoe kitoatoa fa dia terena ho mety sy marina fotsiny ka atao laza masaka hoe voambolana fotsiny no novaina fa mitovy amin’ny lehiben’ny faritra ihany ny governora. Ahiana hivadika zavatra hafa ary mety tena hanohintohina ny fitondram-panjakana ity raharaha Ambohitrimanjaka ity, tahaka ny raharaha Soamahamanina fony fitondrana HVM sy ny nanenjehan’ny mpiara-dia amin’i Andry Rajoelina tamin’ny 2008 fa hoe mivarotra tanindrazana amin’ny Daewoo Corporation i Marc Ravalomanana….Dia efa fantatra ihany ny tohiny avy eo moa .
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.