Nivoaka tamin’ny fahanginana omaly ny Ben’ny tananan’Ampitatafika Rado Ramparaoelina manoloana ilay resaka ady tany ao anatin’ny kaominina Fenoarivo Atsimondrano izay nanononan’ny solombavambahoaka Naivo Raholdina
ny anarany tao amin’ny vata fahitalavitra iray teto an-drenivohitra ka nilazany fa mahavoasaringotra ity Ben’ny Tanàna iray ity ao anatin’ilay raharaha.
NODISOAN’NY BEN’NY TANANA AVY HATRANY
Nandiso avy hatrany ny resaka rehetra nataon’ity solombavambahoaka ity mikasika ny kaominina iadidiany Rado Ramparaoelina omaly. Nambarany fa tsy taratasy fifampivarotana na acte de vente izay voalaza fa nolegaliser-n’ireo olona voalaza fa mpandova sy tompon’ny tany tonga tao aminy no nataon’ny kaominina fa fanomezam-pahefana na procuration, izay mbola tsy izy ihany koa no nanasonia izany fa ny lefitra faharoan’ny Ben’ny tanana. Tamin’ny datin’ny 12 Febroary taona 2021 no nandalo tao amin’ny kaominina Ampitatafika io taratasy io izay nolegaliser-na. Nitondra ny dika mitovy tamin’ny karapanondrony avokoa ireo olona voakasika nandritra izany raha araka ny fanazavan’ity Ben’ny tanana ity no sady nanao depot de signature. Zon’ny olon-drehetra ny manao procuration ary milegaliser izany izany hoy hatrany ity Ben’ny tanana ity na aiza na aiza toerana misy raha mbola eto Madagasikara ary andraikitry ny kaominina ny manao izany hoy izy rehefa mazava tsara ny anton-taratasy. Izay no maha-Nosy iray an’i Madagasikara hoy izy izany hoe : iray tsy mivaky ny Malagasy. Miantso ity solombavambahoaka iray ity mba handinika sy hamakafaka tsara araka izany Rado Ramparaoelina ary hijery tsara io taratasy io vao manonontonona ny anaran’ny kaominina Ampitatafika anatina fandaharana goavana amina vata fahitalavitra tahaka ireny fa manjary mampalahelo ny kaominina iadidiany. Nomarihiny moa fa raha tena manana porofo mifandraika amin’izany Ingahy solombavambahoaka fa acte de vente marina no nolegaliser-na tao amin’ny kaominina dia afaka mitondra soa aman-tsara izany izy hatao porofo, miaraka amin’ny fitombokasen’ny kaominina Ampitatafika.
TSY NANDALO TANY AMIN’NY PREFE IZANY
Voalaza nandritra ilay fandaharana ihany koa fa nandalo tao amin’ny prefet-n’Antananarivo ny Ben’ny tananan’Ampitatafika. Nambarany fa efa an-taonany maro no nitantanany ny kaominina Ampitatafika saingy mbola tsy nandalo tany amin’ny biraon’ny prefet izany ny tenany. Manga ny lanitra raha ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta no jerena hoy izy saingy hatramin’izay noho ny fivoaran’ny teknolojia sy ny fisian’ny ministera mpanelanelana dia mbola vita nilamina hatrany ny fiaraha-miasa tsy nisy fihaonana mivantana. Tsy midoika izany hoy Rado Ramparaoelina fa tsy afaka ny handalo any ny tenany saingy mbola teritery ny fotoanany izao ka hojerena mian-dalana ihany izany. Mikasika ilay olona voalaza fa tera-tany karana ao Fenoarivo dia notsiahivina fa tera-tany Malagasy ireo olona ireo, mizaka ny zom-pirenena Malagasy ary manana karapanondrom-pirenena Malagasy. Ialako tsiny ny mety ho fiovana tampoka hoy izy hoe : rehefa avy any Toliara dia tsy Malagasy izy izay fa lasa karana. Ankoatra izay dia notsindriany fa samy manana ny andraikiny ny Ben’ny tanana sy ny solombavambahoaka noho izany tsy manao tatitra amin’ireto farany izy. Mikasika ny mety hisian’ny fifampiresahana dia niantso an’Atoa solombavambahoaka ity Ben’ny tanana ity mba handalo ao aminy fa vava lalana ihany Ampitatafika raha toa ka ilaina izany. Misokatra lalandava amin’ny rehetra ny kaominina Ampitatafika hoy izy ary tsy manana olana na amin’iza na amin’iza. Mikasika ity raharaha ady tany ao Fenoarivo izay nahavoantonontonona ny anarany ity kosa nefa tsy misy idirany dia nomarihiny manokana fa tany amin’ny vata fahitalavitra no niresaka ny momba izany tsy misy fihambahambana dia any amin’ny vata fahitalavitra ihany koa no hamaliany azy miaraka amin’ny porofo rehetra mifandraika amin’izany.
Aline R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.