Sosialy

Raharaha 65 000Ar lasa gidragidra Tokony hisy ambiny 8 miliara ariary aza…


  • Zoma 17 Janoary 2020

Navoakan’ny filankevitry ny ministra ny 15 janoary teo fa miisa 187 998 ny fonksionera Malagasy.

 

 

Rehefa natao ny kajikajikajy tamin’ilay raharaha 65000Ar isaky ny mpiasam-panjakana ho fanomezana solona « panier garni » ho azy ireo tamin’ny fety teo, dia mitentina 12 219 870 000Ar ny volam-panjakana sitrahany. Voalaza fa  20 000 0000 0000Ar ny volabe nomen'ny filoha Andry Rajoelina ho an’ireo mpiasam-panjakana. Mbola misy ambiny 7 780 130 000. Rehefa nandeha ny karazana fitakiana noho ny fanakepohan’ny manampahefana avy aty ambony ny vola tokony ho an’ireo mpiasam-panjakana, ary tsy nisy fanavahana manokana hoe : ankoatra ny mpampianatra, dia nilaza ny minisitry ny fanabeazam-pirenena fa natao ho an’ny mpiasa birao ihany, ka nisy ambinambiny, dia nomena ny mpampianatra nahatonga ilay 8000 na 9000Ar na latsak’izany fa tsy 650 000Ar. Ny filankevitry ny minisitra izao ihany no nilaza tamin’ny alalan’ny minisitra mpitondra tenin’ny governemanta, fa tsy mifanaraka amin’ny tapaky ny filankevitry ny 7 janoary teo. Mbola nisy ambiny 8 miliara ariary eo izany ny vola, ka naverina ve izany io sa nisy nanakepoka ? Tena nihoatra ny ampy ary nisy ambiny be mantsy ilay vola raha ny isa izay navoakan’ny fitondram-panjakana no iaingana. Toa manazava sy mampiharihary hatrany fa tena misy ny halatra bevava sy ny fitantanana tsy mangarahara eto amin’ny firenena. Volam-bahoaka io fa tsy volan’ny filoha samirery na volan’antoko sy vondron’antoko, saingy toa hanjakan’ny gaboraraka. Ny fitondram-panjakana anefa tsy tena mitondra fanazavana mafonja afaka manafoana ny ahiahy. Samy manana ny ambarany ny tompon’andraikitra ara-panjakana, izay toa efa raikitra hatramin’ny ady an-trano. Ny filoha izay nanome ny vola hatreto toa mety mbola sahirana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT