Tsy azo ekena intsony ny fahantrana misy eto amin’ny firenena hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina,
filoha nasionalin’ny HAFARI Malagasy no sady tale jeneralin’ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA omaly. Azo foronina mantsy ny asa hoy izy ary misy foana ny politika hahafahana mijery izay mahasoa ny tsirairay. Hatreto ho azy ireo dia ny fanovana toe-tsaina izay manainga ny tsirairay tsy ho lava lamosina fa handray ny andraikiny manomboka ao amin’ny ankohonany, mipaka any amin’ny firenena ary ny fiverenana amin’ny tany ihany no tena vahaolana. Ny fambolena, ny fiompiana… no tokony omena vahana hoy izy fa tsy sera amin’ny alalan’ny finday… izay miteraka fisolokiana mahatsiravina ka mampiady ny mpiara-belona indray. Ankoatra izay dia hitarika ny vahoaka hanjifa ny vita Malagasy ihany koa izy ireo no sady hisoroka ny fifindra-monina. Hisy ohatra ny fidinany ifotony hanjifa ny tantely sy soja eny amin’ireo tena mpamokatra izany tsy hisy mpanelanelana. Tanjon’ny fikambanana ao anatin’izany ny hitazonana ireo tantsaha mpamokatra ho tamana any amin’ny faritra niaviany ka hahafahan’izy ireny mamokatra hatrany. Farany izay tsy kely akory dia nanamarika Rafanomezantsoa Jean Nirina fa efa manana traikefa amin’ny resaka fanatsarana ny sosialim-bahoaka izy ireo ka vonona tanteraka ny hiatrika izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.