Sosialy

Rafanomezantsoa Jean Nirina Hiala tsy ho filoha mpitantana ny FI.TRA.MA intsony


  • Alatsinainy 17 Aogositra 2020

Anisan’ny nitana ny sain’ny maro sy niteraka resabe teto amintsika ny faran’ny herinandro teo ny olana nisy teo amin’ireo mpikambana sy mpitantana eo anivon’ny FI.TRA.MA izay niseho tamin’ny haino aman-jery mihitsy. Na izany aza anefa dia niravona sy nilamina ihany izany, raha araka ny fanambarana nataon-dRafanomezantsoa Jean Nirina.

 

 

 

Mba hahatsara zavatra anefa dia hiala tsy ho filoha mpitantana izany intsony ity farany. Ny hisavorovoroana rahateo hilatoana hoy ny tenin-drazantsika izay ohatra tsara azon’ireo mpanao politika halain-tahaka tsara hahafahana mampandroso ny firenena. Vonona ny hamondrona ny heriny indray ny roa tonta araka izany ho tombontsoan’ny mpiara-belona.

MPIANAKAVY IHANY

Tsy olon-kafa fa mpianakavy ihany Rafanomezantsoa Jean Nirina. Filohan’ny FITRAMA sy Rakotondranaivo Jean Pierre sekretera jeneralin’ny FITRAMA izay zokin’ny vady andefimandriny. Na dia nisy aza ny disadisa teo amin’ny roa tonta dia nisy ny fifanatonana sy ny fifampiresahana ka niravona ny zava-drehetra. Tsy vitana lolom-po ny firenena hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina ary tsy azy sy Rakotondranaivo Jean Pierre izay zaodahiny irery ny tombontsoa jerena. Misy ny tombontsoan’ny marary hoy izy, misy ny tombontsoan’ny mpiasa ary indrindra indrindra ny tombontsoan’ny firenena. Tokony hianaran’ny mpanao politika ny fihetsika tahaka izany hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina. Na ny mpivady aza hoy izy dia miady sy mifamaly ka tahaka izay ihany koa izy ireo. Samy nahatsapa tena ny roa tonta nandritra ny fifampiresahana hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina, fihaonana izay natao tao anatin’ny firahalahiana tanteraka ary samy nahatsiaro tena ho nanao zavatra ihany koa tamin’ny fanandratana ny vita Malagasy.

MIFONO ANATRA

 Betsaka ny anatra azo tsoahina tamin’ity tranga iny hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina. Anisan’izany ny mpitaty ran-kena, toe-tsaina mbola misy eto Madagasikara nefa mifampihinana ny manta sy ny masaka saingy mitady tombontsoa manokana kosa ka manimba ny firenena. Betsaka ny te-hivadika hoy izy rehefa te-hanana tombontsoa manokana na dia ny namana akaiky aza. Izany toetra izany hoy ity filohan’ny FITRAMA ity dia toetra mahamenatra koa mino izy fa ho menatra ary hahatsiaro tena hangasihasy ary handini-tena ny tsirairay izay voakasik’izany. Tsy ho an’ny FITRAMA irery izany hoy izy fa na ho an’ny orinasa hafa ihany koa aza dia tsy maintsy misy ny tsy fifankazahoana eny hatrany amin’ny mpivady, ny mpiara-miasa….Anjaran’ireo mpamporisika na mieritreritra haka ny zatsy na zaroa hoy izy ny mandinika satria izy ireny no tena fanetriben’ny firenena. Misy ny te-hijapy masinina hoy izy, misy ny ory hava-manana ary hatambany ny alahelony ka zary lasa mamotika zavatra maro.

NISAOTRA AN’ANDRIAMANITRA

Nisaotra an’Andriamanitra Rafanomezantsoa Jean Nirina nanoloana izany. Nisaotra ny rehetra ihany koa izy. Mety maro hoy izy ireo manontany ny anton’ireny tranga ireny saingy ny zavatra tahaka izany dia hakana traikefa hatrany. Ny traikefa tiany hozaraina amin’ny mpiray tanindrazana aminy amin’ny maha-fiaraha-monim-pirenena azy araka izany manomboka izao dia ny hoe : fadio ny mampiady olona. Fadio ihany koa ny miditra amin’ny adin’olona hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina, indrindra fa ny mitady tombontsoa manokana. Izahay zao hoy izy mihavana ihany dia ho aiza no alehan’ireny olona ireny. Vitan’izy ireny ve hoy izy ny mbola hanitsaka ny tokontaniko ary vitan’ireo olona taty amiko ve ny hanitsaka ny tokontanin’ny mpitsabo nentim-paharazana Rakotondranaivo Jean Pieerre ? Izahay anefa hoy izy tsy hilaozan’izay tsy ho mpihavana sy mpiray anaka. Mila tonga saina ireo olona rehetra izay tafiditra tao anatin’ireny disadisa ireny hoy izy ka anisan’izany ny fanalam-baraka. Tokony lanjalanjaina ny vava havoaka hoy izy fa Rafanomezantsoa Jean Nirina tsy hanaotao foana izany na araka ny lalana na ara-drariny. Tsy vao izao aho hoy izy no nitantana fikambanana ary haiko tsara izany andraikitra sahaniko izany.

FAMORONANA ORINASA

Tsy mbola nisy teto Madagasikara hatramin’izay hoy izy ny famoronana orinasa toy ny an’ny FITRAMA. Ny an’ny FITRAMA mantsy hoy izy dia nofaniny ireo manam-pahaizana dia nasainy namokatra ka iny no tonga lasa fivelomany. Izay no nampiroborobo azy haingana manerana an’i Madagasikara hoy izy. Nomarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina moa fa tsy niandry na iza na iza ny tenany sy Rakotondranaivo Jean Pierre nampihavana azy fa avy hatrany dia nifanatona ary samy nahatsapa fa betsaka ny soa niarahana. Zavatra efatra loha moa no hojeren’ny FITRAMA manomboka izao, indrindra manoloana ireo olona efa sitrana miisa 32.000. Lohalaharana amin’ireny ny fijerena ny tombontsoan’ireo mpiasa miisa 475, izay mivelatra manerana ny Nosy. Ny firosoana amin’ny fampanarahan-dalana ny taratasy ara-panjakana. Ny fandoavan-ketra ary ny fanatsarana ny fampitaovana arahin’ny fizarana andraikitra izay nomarihiny fa mety nampalahelo ny sasany. Hojerena maika ihany koa ny fampidinana ny vidim-panafody izay saika nampisy disadisa teo anivon’ny mpikambana mihitsy. Ho an-dRafanomezantsoa Jean Nirina manokana dia nomarihiny fa ilaina ny didy jadona, indrindra amin’ny fitantanana orinasa izay toetra nekeny fa tena hananany tokoa ary nitondrany ny hafari hatramin’izay. Notsiahiviny moa fa namorona zavatra ngeza sy lehibe hatrany ny tenany teto amin’ny firenena toy ny tetikasa fifindra-monina, ny FITRAMA, ny fiarovana ny zon’olombelona ary raha mbola misy ny azony hatao dia mbola hamorona hatrany izy amin’ny maha-olon’ny ady azy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT