Sosialy

Rado Ramparaoelina “Tokony hadinoina aloha ny resaka politika rehefa misy traboina”


  • Zoma 28 Janoary 2022

Nandray anjara betsaka tamin’ny fandraisana an-tanana ireo traboina eto Ampitatafika ny kaominina, hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana, Rado Ramparaoelina.

 Nandray anjara ihany koa, amin’ny maha olompirenena eto, ny tenanay, hoy izy. Isan’ny nanome “groupe” maimai-poana tsy ofaina ary izany no miantraikitra ny jiro eto amin’ny CEG Faliarivo, izay handraisana ireo traboina. Ny solika no iantohan’ny kaominina. Teo koa ny minisiteran’ny mponina izay nanome fanampiana vary sy laoka. Nanome vary hatrany am-piandohana koa ny kaominina satria mbola tsy vonona tamin’izany na ny BNGRC aza. Nanatitra vary 6 gony sy laoka ny BNGRC omaly (TTF: ny alarobia teo). Faliarivo sy Benasandratra moa no toerana handraisana ireo traboina. Avy eto aho dia naheno hoe hisy kamiao hiditra eto. Tsy anjaran’ny ben’ny tanana ny miandry kamiao hiditra fa misy tomponandraikitra isan-tsokajiny. Ao ny BNGRC sy zandarimaria. Mba nijery ny traboina any Benasandratra koa izahay ka tsy hoe nandritry ny fotoana nialanay teto nankany no hilazana hoe nitsoaka ny ben’ny tanana. Raha ratsy ilay izy dia nitsoahanay. Amin’ny fo feno fitiavana no hanaovanay izao fa tsy misy vola ity raha ivelomana. Ny an’ny tena aza no manaraka. Andriamanitra no nametraka ny tena eto dia manao asa soa satria vahoakan’Andriamanitra ireo. Mbola nandray ny association Fitia sy ny solontenan’ny BNGRC tonga teo izahay nialohan’ny nankanesana tany Benasandratra. Isak’izay misy hetsika ve izany dia tsy maintsy hatrehin’ny ben’ny tanana? Amin’io kamiao iray nitondra vary 6 gony amina 50 kilao isanisany. Misy tomponandraikitra afaka mandray izany sa sanatrian’izany tsy misy olona azo itokisana ankoatran’ny ben’ny tanana eto amin’ny kaominina? Efa mifangaro politika izany. Tokony hadinoina tanteraka aloha ny resaka politika sy loko politika rehefa misy traboina fa aleo ny vahoaka no jerena, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Ny Rado Ramparaoelina nanazava ny zava-misy tamin’ireo traboina
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT