Sosialy

PYLONE » AO FALIARIVO MPITATAFIKA Mihalalina tsy fitovian-kevitra sy ny fanoherana


  • Alarobia 27 Aprily 2022

Raha efa nilanjan’ny fokonolona sora-baventy ny tsy fanekeny ny hananganana ilay « pylone » ao Faliarivo Ampitatafika ary efa tsy nanaiky ihany koa ny kaominina izay tsiahivina fa tsy nanome alalana ny orinasa nanao ity « pylone »

ity akory dia nitohy omaly indray ny fananganana izany fotodrafitrasa izany. Efa mahatratra hatrany amin’ny 4 metatra ny haavony raha araka ny hita teny an-toerana omaly, pylone eo an-tokontanin’ny CSB II sy ny CEG, toerana misy marary sy be olona mifamezivezy izay tsiahivina hatrany fa tanin’olon-tsotra fa tsy tanim-panjakana. Fanontaniana hapetrak’ireo fokonolona araka izany ny antony mbola hanaovan’ny fanjakana amboletra amin’ny fananganana ity pylone ity arahin’ny tsy firaharahiana ny kaominina izay tompon’andraikitra voalohany eny an-toerana. Raha araka ny fanazavan’ny ARTEC mantsy dia tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena izy io izay tokony hifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka ihany koa raha tena marina izany fa tsy sanatria hanome fahasahiranana ny vahoaka indray ka hanaparitaka aretina mety hamoizana aina. Raha araka ny loharanom-baovao azo omaly hatrany moa dia efa nandefa taratasy fampitsaharana ny asa any amin’ireo tompon’andraikitra misahana izany ny kaominina Ampitatafika notarihin’ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina. Andrasana araka izany izay mety ho tohin’ny raharaha. Efa nanome vahaolana rahateo ny kaominina ny amin’ny hamindrana ity pylone ity any an-tandrembohitra na koa manamorona iny lalam-pirenena voalohany iny izay tsy misy olona betsaka mipetraka.
Pati
Legende : Mitohy tahaka izao ny fananganana ilay pylone !
 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT