Sosialy

Progaramam-panadiovana PIAA “Miandry ny hitantanany feno ny SAMVA ny CUA”


  • Alakamisy 26 Novambra 2020

Nandray ny "Assises de l'assainissement et aménagement urbain" ny Kaominina

 

 

Antananarivo Renivohitra (CUA), izay ahafahantsika tompon’andraikitra rehetra mivondrona sy miara-mientana ho an’ny fanadiovana an’Antananarivo, hoy ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina omaly. Nataoko laharam-pahamehana ny fanadiovana ny Tanàna, ary efa maro ireo ezaka natomboka. Anisan’izany ny tetikasa HIMO, izay fanadiovana ireo lakan-drano maro tsentsina eto Antananarivo, mba hisorohana ny fiakaran’ny rano amin’ny fotoanan’ny orana, hoy izy. Nambaran’I Naina Andriantsitohaina fa tsy ny eny ambany tanàna ihany, fa voakasika ihany koa ny eny ambony Tanàna, izay anisan’ny manana olana lehibe izy ireo amin’ny fihotsanan’ny tany sy ny lakana fivoahan’ny rano. Efa tsy andrin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ihany koa ny handraisana feno ny fitantanana ny SAMVA mba hahafahana manafaingana sy manatsara hatrany ny asa, hoy ingahy ben’ny tanàna. Nisaotra ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany sy ny asa vaventy, ny Minisiteran’ny Rano, ireo mpiara-miombona antoka rehetra, izay nanampy betsaka tao anatin’ny tetikasa PIAA ka nahazoana vokatra I Naina Andriantsitohaina, araka ny fanambarany. Hatreto aloha, milamindamina izany ny resaka ambony latabatra, fa ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina, dia mbola maimbo sy maloto ny tanàna, tsy voataona ny fako,…

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT