Sosialy

PRIMA BABY 10 taona Hanampy ny ray aman-dreny amin’ny fitaizana ny ankizy


  • Zoma 07 Jona 2019

Feno folo taona katroka amin’ity taona 2019 ity ny Prima baby.

Hetsika maro loha no entin’izy ireo hanamarihana izany toy ny fanampiana ny ray aman-dreny amin’ny fikoloana ny menaky ny ainy hahatonga ireto farany ho olom-banona. Tafiditra ao ny fiverenan’ilay fandaharana amin’ny fahitalavitra iray eto amintsika mitondra ny lohateny hoe : “Tiako ny zanako” rehefa  niato  enin-taona lasa izay. Hirotsaka an-tsehatra amin’ny fanabeazana ireo tovovavy tanora tsy ampy taona dia mitondra vohoka ihany koa ny Primababy izay nomarihin’ny tompon’andraikitra fa be dia be tokoa eto amintsika. Namoaka ilay guide Prima baby mirakitra ireo torolalana sy torohevitra ho an’ny ray aman-dreny izy ireo omaly, tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny iray volan’ny ankizy. Andiany fahafolo izy ity izay vidiana amin’ny sarany 2.000 Ar ka ny 20% amin’ny vidiny dia  hampidirina  ankizy sahirana any an-tsekoly sahanin’ny fikambanana “Clair de Lune” sy ny Centre I2M eny Ambohibao. Ho hita ao anatin’io boky io avokoa moa ny fomba fitaizana ny ankizy, ny sakafo tokony hohaniny, ny fianarana tokony holalovany….

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT