PR JOSEPH

Tena mampijaly vahoaka izao fitondrana izao


  • Talata 23 Septambra 2025

Tena mampijaly vahoaka izao fitondrana izao hoy ny Pr Joseph

mpanompon'Andriamanitra no sady mpandinika raharaham-pirenena. Raha misy ny mpanao Kidnapping hoy izy dia ity fitondrana Rajoelina ity no anisan'ny tena mpanao an'izany. Tsikaritra izany hoy izy amin ' izao fahoriam - bahoaka amin 'ny lafiny maro samy hafa izao noho ny tsy fahaizany mitantana kanefa maika ery ny hanongana sy haka an - keriny ny fahefana teo ampelatanan 'ny filoha Marc Ravalomanana tamin 'ny taona 2009 izay mbola nitohy tamin ' ireo fifidianana rehetra izay natao teto amin'ny Firenena nanomboka tamin' ny 2018 hatramin' ny 2023 izay nataon - dRajoelina an - keriny avokoa. Fifidianana feno hosoka sy fahefana azo tamin 'ny tsy fahamarinana noho ny fitiavan - tena sy fitiavam - pahefana ary ny fitiavam - bola no misy hoy Pr Joseph. Mbola mitohy izany Kidnapping na fanaovana an - keriny izany tamin 'ny fisamborana an - keriny an - dRtoa Clemence Raharinirina sy Atoa Baba Rakotoarisoa izay narahana daroka sy vono mihitsy, kanefa dia olom - boafidim - bahoaka ; izay midika fa avy amin 'ny fitondrana Rajoelina ilay fanaovana an - keriny na Kidnapping matoa tsy nanao fanambarana mahakasika ireny izy hatramin ' izao. Noho izany : tapitra ny fetra, ary feno ny kapoaka, koa anjaranareo fitondrana Rajoelina no mandinika, satria Andriamanitra mihitsy no hamaly ny tsy mety nataonareo teto Madagasikara hatramin ' izay ka mampiasa ny vahoakany Izy araka ny teny izay voasoratra ao amin 'ny (Apok 18 : 6) manao hoe : Mamalia azy araka izay nataony, ka omeo azy indroa heny toy ny nataony izy ; ny kapoaka izay nofenoiny, dia fenoy indroa heny ho azy.
Pati
Légende : Pr Joseph aminy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT