PR JOSEPH SY NY FAHASAHIRANAM-BAHOAKA

Aiza ihany ny vahaolana entin’ny Fitondram-panjakana ?


  • Alakamisy 08 Aogositra 2024

Naneho ny heviny indray ny Pr Joseph izay mpanaraka ny raharaham-pirenena no sady

mpanompon’Andriamanitra manoloana ny zava-misy hiainan’ny vahoaka Malagasy ankehitriny. Mandeha ihany ny andro sy ny volana ary ny taona hoy izy kanefa dia tsy hita mihitsy izay vokatra tena azo tsapain-tanana mba entin’ny Fitondram-panjakana. Nasiany resaka manokana ny JIRAMA, ny resaka fampianarana… Nodradradradrain ' Atoa filoha mafy anefa izany hoy izy nandritra ireny propagandy nataony ireny nampiany ilay hoe: "Ny fitiavana no lehibe indrindra " saingy toa lasa fampanantenana poakaty no misy ankehitriny? Miantso ny filoha mba handinika ny Pr Joseph manoloana izany. Ankoatra izay dia nasiany resaka ihany koa ny tenin’ny Sekretera nasionalin’ny TGV izay nilaza fa tsy laharam - pahamehana intsony izany fifidianana Ben'ny Tanàna izany. Efa izao ve ny fahoriam - bahoaka dia mbola sakananareo tsy ho hatao ihany ny fifidianana izay ho Ben'ny Tanàna, sa matahotra ny mety ho firotsahan’ ' Atoa filoha Marc Ravalomanana hianareo ? Miantso an’Atoa filoha teo aloha Marc Ravalomanana izy noho izany mba hirotsaka amin’ny fifidianana Ben'ny Tanàna fa tena potika Antananarivo renivohitra no sady mijaly ny vahoaka Malagasy.
Pati
Legende : Ny Pr Joseph !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT