Sosialy

Pr Jonah Ratsimbazafy “Mahay manaja fananana iombonona isika vao tafavoaka”


  • Talata 05 Janoary 2021

Raha ny faniriako dia andao ho antsoina ho Taonan’ny fanajana ny fananana iombonana (Biens communs)

ity taona 2021 ity, hoy ny Pr Jonah Ratsimbazafy tao amin’ny tambajotran-tserasera. Raha izay zavatra naorina sy notokanana tamin’ny fomba manetriketrika izay fotsiny no tsy nosimbaina dia dia mba efa voatazona ihany ny fahatsaran’ny tanàna sy ny fotodrafitrasa naorina teto Madagasikara, hoy izy. Nahitsy izy naneho hevitra, fa mametraka Vina fa hamboly 30,000 hatramin’ny 60,000 hekitara zanakazo isan-taona isika, kanefa mandoro 60,000 hatramin’ny 100,000 hekitara mihoatra isan-taona ihany koa ka lasa fanentanana “routine” tsisy fiantraikany akory. Làlana mba vita tsara tsy ampy herintaona dia efa mihasimba herintaona monja aty aoriana noho ny tsy fikojakojana ilay lalana nindrana vola be tamin’ny mpamatsy vola satria fiara goavana tsy zakan’ilay lalana no mivezivezy eo, ny tatatra andehanan’ny rano tsentsina satria lasa atao fanariana fako ny tatatra. Tetezana vaovao misy vy aro fanina vita mafy sy tsara vao tsy ampy herintaona monja dia efa misy manapaka sy mangalatra ireo vy fiarovana sy endriny na nodomin’ny fiara dia mijanona tsisy manamboatra fa rava eo lovain-jafy. Andrin-jiro misy “panneau solaire” tsara be maro amin’ilay làlana vao vita (Jereo iny mankany Vontovorona-Fenoarivo iny sy ny eto Ampasika mankeny Anosizato…) dia volana vitsivitsy taorian’ny fanokanana azy fotsiny no mandeha, fa saika lasa nisy nangalatra daholo ilay “panneau solaire” na ny “Poteau” mihitsy no notsofaina nangalarina. Raha haravona ny nambaran’io manam-pahaizana io, dia tsy hisy zava-banona, tsy hisy zavatra tsara hipetraka eto, raha mbola hanjaka sy hitohy ny fanimbana sy ny famotehana ny fananana iombonona, ary ho very maina ny ezaka nimatimantesana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT