Nankatoavin’ny governemanta Amerikanina tamin’ny alalan’ny USAID
Sampan-draharaha Amerikanina momba ny Fampandrosoana Maneran-tany sy ny fanamby “Power Africa” ny tohana ho an’ny orinasa 3 eto Madagasikara. Hisy ny fanampiana ara-bola na “subvention” mitotaly 1,2 tapitrisa dolara eo hahafahana mampiroborobo tambajotra madinika hanapariaka herinaratra amina tokantrano 5 200 sy orinasa eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Tafiditra ao anatin’ny tahirim-bolan’ny governemanta Amerikanina mahatratra hatrany amin’ny 3 tapitrisa dolara hampitomboana ny fampiakarana angovo sy fisitrahana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra io. Nanomboka ny taona 2018 dia efa nahatratra 57 000 ireo olona afaka nisitraka herinaratra tamin’ny alalan’io tetikasa io. Fanamby hatramin’ny taona 2022 ny hahatafakaran’izany ho 400 000. Zara rah any 5% amin’ny mponina eny ambanivohitra no misitraka herinaratra mivantana hatreto na eo azan y haren’ny firenena sy ny loharanon’angovo betsaka ananan’i Madagasikara ahafahana misitraka angovo azo havaozina, amin’ny alalan’ny rivotra, rano,… Isan’ny mifototra betsaka amin’ny fametrahana ny angovo amin’ny herinaratra ny Power Africa, ary miara-miombon’antoka amin’ny ADER (Agence de Développement de l”Electrification Rurale) ary ny sehatra tsy miankina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.