Sosialy

Posy sy sarety Mety ny tsena hatramin’ny nisian’ny Vatsy Tsinjo


  • Talata 08 Septambra 2020

Nandeha be tokoa ny asan’ireo mpitarika posy sy sarety eto an-drenivohitra hatramin’ny nisian’ilay hetsika fizarana Vatsy Tsinjo hataon’ny Fitondram-panjakana.

 

 

 

Misy amin’ireo olona iray tanana nahazo izany mantsy raha araka ny fanadihadiana natao no manofa sarety iray izay 5.000 Ar ao anatin’ny iray andro raha manomboka amin’ny 500 Ar isaky ny gony kosa no hitondran’ny mpitarika ny sarety ny vary iray gony, miankina amin’ny halaviran-toerana. Miandry mandrapaharivan’ny andro mihitsy io sarety io ka vary 20 gony eo ho eo no entiny, milanja 50 kg isanisany mandrapaharivan’ny andro. Toraka izay koa ny posy. Ho an’ireo tsy manana fahafahana ny handoa izany fanofana sarety izany kosa dia ireo lehilahy be sandry na dôkera no karamainy avy hatrany ka manomboka amin’ny 1.000 Ar no hitondrany ny gonim-bary iray miainga eny Anosizato hatreny Anosipatrana. Misy amin’ireo dôkera no mahavory vola hatramin’ny 10.000 Ar isan’andro teny Anosizato tamin’iny herinandro nivalona iny. Tsiahivina moa fa ho an’ireo manana fiara dia misy hatramin’ny 4x4 mihitsy ireo tonga maka izany fanampiana izany izay niteraka fitohanana be tamin’ny faritra sasany.

Pati

L

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT