Sosialy

Port Bergé 20.000 ka hatramin’ny 25.000 Ar ny kilao n’ny hen’omby


  • Alatsinainy 28 Novambra 2022

Tafakatra 20.000 Ar ka hatramin'ny 25.000 Ar ny iray kilao amin'ny nofon-ken’omby any amin’ny distrikan’i Port Bergé nanomboka ny herinandro lasa teo raha raha vidiana 15.000 Ar kosa ny hena mifangaro amin’ny taolany.

Noho ny fanararaotan’ireo mpivarotra kojakoja ilaina amin’ny fiainana any an-toerana no voalaza fa antony nanosika ireo mpivaro-kena any an-toerana hanao toy izany ihany koa. Raha araka ny fantatra mantsy dia fotoana fanararaotan’ireo mpivarotra any an-toerana ny fotoam-pahavaratra tahaka izao. Miantso ireo tompon’andraikitra misahana ny zon’ny mpanjifa araka izany ireo mponina any an-toerana mba hijery akaiky ny zava-misy.
Nangonin’i Pati
Legende : Lafo dia lafo ny hena ao Port Bergé
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT