Sosialy

Politikam-pampandrosoana ny firenena Tsy misy azo antenaina hatreto…


  • Zoma 09 Aogositra 2019

Ny 80% amin’ny Malagasy dia tantsaha avokoa, izany hoe eny ambanivohitra. Mirona kokoa amin’ny politikan’ny tanàn-dehibe sy ny mamirapiratra ny fitondram-panjakana.

 

 

Tsy mazava ny politikam-pirenena momba ny famokarana fa ny renivohitra no tena hanompanana ny vola sy ny toekarena. Raha mandray ohatra ny tamin’ny fitondrana Ravalomanana, dia nipetrapetraka ny fanjakana tamin’ny alalan’ny “Madagasikara Voajanahary” niaraka tamin’ny MAP, niroborobo ny tan-tsoroka ho an’ny tantsaha tamin’ny alalan’ny PSDR, izay nanampy ara-bola sy fampitaovana.  Raha mijery ny politikan’ny fanjakana Rajoelina isika amin’izao fotoana izao, dia mirona kokoa amin’ny resaka tanàn-dehibe, raha tsy hilaza afa-tsy ny Tanamasoandro, izay ambara fa io no hitazona ny 42% amin’ny harin-karena faobe eto Madagasikara. Raha ny fanisam-bahoaka vao nivoaka andro vitsy izay dia 25 680 342 ny isan’ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao, ka 7 264 922 ny mponina ho an’ny Faritanin’Antananarivo izany hoe: misy ambiny 18 tapitrisa ho an’ireo faritany hafa. Atao ahoana izany ireo ? Inona ny fandrosoana tokony hatao aminy ? Tombanan’ny mpitondra hiakatra 6 tapitrisa ny mponina eto Antananarivo Renivohitra amin’ny 2033, ka vahaolana handraisana izany ny Tanamasoandro. Tsy ratsy io fa faritra 1000Ha izany iainkinan’ny antsasamanila latsaka kely amin’ny harin-karena faobe eto Madagasikara.  Ny tantsaha 80% no mamelona ny rehetra amin’ny ankapobeny, kanefa tsy mbola mahavelon-tena ara-tsakafo isika amin’izany. Mila afantoka amin’ireo ny politikam-pamokarana, ny politikam-pampianarana,… ary tena ilaina eto ilay antsoina hoe: “fitsinjaram-pahefana tena izy”, ka hiainga any ifotony ny tena fampandrosoana, any no tokony hanompanana vola betsaka. Andrasana na mba hijery izany ny fanjakana ao anatin’ny fanolorana ny politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) eny amin’ny antenimiera na ahoana ? Mila ampiroboroboana ny famokarana,  miainga amin’ny hoe: mila mahavelon-tena ara-tsakafo, afaka manana ambim-bava sy manondrana avy eo,… Rehefa ny Malagasy maro an’isa no mandroso sy miaina tsara, dia izay aloha no atao hoe: fandrosoana ho antsika Malagasy, fa tsy ny fitsanganan’ny building sy haitraitra izay tsy ampy 10% amin’ny vahoaka no hisitraka azy. Ilaina izany fa mety mbola misy zavatra laharam-pahamehana tokoa angamba, ka mila hain’ny mpitondra Malagasy ny mamaritra ny mahasoa vao miroso amin’ny mahafinaritra, izay mandeha ho azy rehefa miarina ny toekarena.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT