Sosialy

Politika mitodika amin’ny tantsaha Ny an-dRavalo ihany no nalain-tahaka


  • Alatsinainy 31 Aogositra 2020

Tany Antsirabe ny faran'ny herinandro teo no nampahafantarin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny tetikasa “titre vert” ao anatin’ny fampiroboroboana ny fambolena fiompiana.

 Homena tany 10ha, homena trano ny olona, hampiditra rano ny fitondrana, hampanao fiofanana ho an’izay te hamboly sy hiompy,... Ao anatin’ny 5 taona ny asa fambolena sy fiompiana, ho lasa tompony ireo mponina amin’ny 5 taona manaraka. Mampahatsiahy ny politikan’i Marc Ravalomanana tamin’ny fotoan’androny io, ary te hampiseho izany ny Filoha ankehitriny, fa mitodika any amin’ny tantsaha izay misehatra amin’ny seha-pamokarana eny ifotony. Mety ny nataon’ny fitondrana izay naongana 11 taona lasa, matoa miezaka maneho tetikasa mitovitovy amin’izany. Nazava ny tarigetra tamin’izany sy ny vina tamin’izany dia ny Madagasikara voajanahary na “Madagascar Naturellement”, izay tena goavana sy fandaharan’asa nasionaly, fa tsy tsongatsongaina amina toerana na tanàna iray. Efa tany amin’ny 16 na 17 taona lasa ny fanjakana tamin’izany no nametraka ny PSDR nahafahana nanome tantsoroka ara-pitaovana sy ara-piofanana ny tantsaha. Efa tamin’izany ihany koa no nisian’ny MCA (Millenium Challenge Account) izay novatsian’ny Amerikanina sy ny Banky Iraisam-pirenena vola, ka i Madagasikara no isan’ny firenena voalohany teto ambonin’ny tany nisitraka azy. Niompana tamin’ny fampiroboroboana ny toekarena sy fihariana io, ary tafiditra tao anatin’izany ny tontolo ambanivohitra, toy ny amin’ny lafiny fananan-tany sy kara-tany hoenti-manampy ny tantsaha. Soa tokoa fianatra matoa te haneho fa mitodika amin’ny tantsaha ny Filoha Rajoelina, saingy mety efa lasa lavitra be isika, raha nitohy ny efa natomboka efa ho 20 taona lasa izay.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT