Sosialy

Polisy vao nivoaka Hanome ra hanampiana ireo marary mila fandidiana maika


  • Talata 23 Jolay 2019

Hafa dia hafa ny fihetsika hasehon’ireo mpianatra ho polisy vao nivoaka ny zoma lasa teo miisa 1.098 mirahalahy. Mialoha ny handraisan’izy ireo ny tena asany mantsy dia hanome ra

 

 

maimaimpoana ny ivontoeram-pirenena fanangonan-dra ( CNTS) etsy amin’ny HJRA Ampefiloha izy ireo ka 200 lahy no hisantatra izany anio talata. Tanjon’izy ireo ny hanampiana ny tahirin-dra eo anivon’ity ivontoerana iray ity hanampiana ireo marary mila fandidiana maika sy ireo vehivavy saro-piterahana eto amintsika.  Neken’ny minisitry ny fiarovam-pirenena avy hatrany ny fangatahan’izy ireo hanome ra  sady nomarihiny manokana fa mbola tena madio ny ran’ireo mpianatra nivoaka avy any amin’ny toerana nianarany ka tsy misy atahorana. Tsiahivina moa fa mbola hiasa eto Antananarivo izy 1.098 lahy ireto mandrapahavita ny fiarovana ny fandriampahalemana mandritra ny fandalovan’ny papa François eto amintsika. “Fenitra” no anarana nisaloran’izy ireo, izay manana tanjona hanao asa manara-penitra ihany koa.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT