Sosialy

Polisim-pirenena Tsy sasatra manentana ny vahoaka


  • Talata 31 Martsa 2020

Tsy sasatra ny polisim-pirenena manentana ny momba ireo mpivarotra sakafo, fanafody, mpivarotra mpambongady sy enta-madinika mikasika ny ora hahafahan’izy ireny misokatra ho an’ny mpanjifa.

 

 

 

Ny mpivarotra sakafo sy zavatra tena ilain’ny olona amin’ny fiainany andavanandro ihany no mahazo misokatra manomboka amin’ny 06 ora maraina ka hatramin’ny 12 ora atoandro. Ny mpivarotra akanjo, kiraro, friperie, telefaonina, cd sy dvd, ireo Bar kosa dia mikatona avokoa tontolo andro...Am-polony no efa voasambotry ny polisim-pirenena fa tsy nanaja ny tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina. Mila fahazoan-dalana ihany koa ny fiara afa-tsy ny fiara hampiasain’ireo mpiasan.'ny fahasalamana , fiara mitondra.sakafo , fiaran'ny jirama, fiara mpitandro’ny filaminana, fiara mitondra.solika..Hentitra ny fampiharana ny fepetra tsy fivoahana ny trano izy ireo satria io no vahaolana tsara indrindra tsy hampiparitaka ny covid 19...Miambina ireo tsena lehibe toy ny petite vitesse , andravoahangy, anosibe koa ny mpitandro filaminana manara-maso izay mbola minia manao mafiloha..ary mitsoka kiririoka ihany koa rehefa migadona ny amin’ny 12 ora atoandro, fampahatsiahivana fa efa tokony hody avokoa ny rehetra.

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT