Sosialy

Polisim-pirenena Hitohy ny fanadiovana amin’ny kolikoly


  • Alarobia 15 Janoary 2020

Nahitam-pahombiazana ny mpitandro filaminana nanakaiky ny vahoaka na “police de proximité ».

 

 

 

 Tohizana izany amin’ity taona vao manomboka ity. Io no fanambaran’ny minisitry ny filaminam-bahoaka teny Ivato, ny zoma teo raha nilaza ny tetikasany izy. Namerina ny fitokisan’ny vahoaka ireo mpitandro filaminana ity hetsika manokana nentin’ny fitondrana izay mijoro ity. Maro ireo basy sy jiolahy tratra, noho io fanatonana ny vahoaka io. Andrandrain’ny olompirenena moa ny hampitomboana hatrany ny isan’ireo mpitandro filaminana misahana ireo faritra mena eto an-drenivohitra sy Toamasina izay efa samy malaza ratsy. Ankoatra ireo toerana, miandry fandaminana avy amin’ny mpitandro filaminana koa isahanana ny filaminana amin’ny alina sy ny fotoanan’ny rotsak’orana izay fanararaotan’ireo jiolahy.

Nanizingizina hatrany ny lehiben’ny polisim-pirenena ity fa  hitohy hatrany ny fanajana fitsipika. Tsy hilefitra hatrany amin’ireo mpiray tsikombakomba amin’ny mpanao ratsy sy mpanao kolikoly ao amin’ny mpitandro filaminana ny tompon’andraikitra. Tsy hatsahatra ihany koa ireo ezaka nahitam-bokany tahaka ny fiarovana ireo marefo eo anivon’ny fiarahamonina. Hitohy hatrany ny fanadiovana amin’ny ady amin’ny kolikoly eo amin’ny sampandraharaha fakana “passeport” sy ny filaminana eo anivon’ny seranam-piaramanidina ary handraisana fepetra hentitra tahaka ny “police de la route” izany.  Mampitaraina ny mpanjifa ka mitaky fandraisana fepetra ireo taksibe tsy manaja bokin’andraikitra izay mihodina an-dalana sy mamonjy fodiana mialoha.

Haja Nirina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT