Sosialy

Polisim-pirenena Hiditra any anelakela-trano hiaro ny vahoaka


  • Alatsinainy 17 Febroary 2020

Maika ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana eto amintsika. Ho an’ny polisim-pirenena manokana dia nahitany paikady vaovao izany ka

 

anisan’ireny ny fidirana any anelakela-trano, toerana fitsoahan’ireo jiolahy. Hanaovana izany hetsika izany avokoa ny eto an-drenivohitra ankoatra ireo hita maso eny amin’ny arabe. Hamafisina ihany koa ny fisafoana any anaty tanàna ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Nampitomboina vokatr’izany ny isan’ireo polisy midina an-dalambe mba hitazonana ity fomba fiasa vaovao ity. Hitarina manerana ireo faritra maro eto an-drenivohitra izany mba hahatsapan’ny olom-pirenena tsirairay avy fa misy miaro izy ireo. Tsiahivina moa fa anisan’ny toerana tena malaza ho be elakela-trano fitsoahan’ireo mpangarom-paosy sy mpanendaka ny eny 67 ha sy Andavamamba koa inoana fa hataon’ireo polisy hidina eny an-toerana vaindohan-draharaha izany.

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT