Sosialy

Polisim-pirenena Azo antsoina amin’ny laharana 017 manomboka izao


  • Zoma 14 Febroary 2020

Mihamahazo vahana ny tsy fandriampahalemana eto amintsika. Ankoatra ny fandrobana ireo toeram-pivarotana maro isan-tsokajiny dia mahazo vahana ihany koa ny fanafihana tokantrano izay saika

 

isan’andro mihitsy ho an’ny distrikan’Ambositra. Manoloana izany dia fantatra fa efa azo antsoina amin’ny laharam-pinday 017 amin’izao ny polisim-pirenena 24 ora amin’ny 24 ora, 7 andro amin’ny 7 andro tsy misy sarany. Ny orinasam-pifandraisana Airtel sy ny polisy no mifanome tanana amin’ny fanatanterahana izany, fiaraha-miasa izay nohamafisina tamin’ny fifanaovan-tsonia mihitsy. Tanjon’ny roa tonta ny hanampiana ny fitondram-panjakana amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana misy eto amintsika. Raha tsiahivina mantsy dia tsy mifidy ora hanaovan-dratsy intsony ireo jiolahy, eny fa na dia amin’ny andro atoandro aza. Nanambara ny teo anivon’ny polisim-pirenena fa tokony ho mailo ny rehetra ary handray ny fepetra toy ny tsy fikirakirana volabe  imasom-bahoaka …. izay mitarika fakam-panahy. Ny laharam-pinday 143 sy 813  kosa no antsoina raha toa ka misy ny trangana fanararaotana na ny fampijaliana ankizy na vehivavy eny anivon’ny fiarahamonina ary koa azo hakana  torohevitra raha toa ka misy  ilana izany.

Pati

 

.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT