Sosialy

Police de la route Manabe sy mampanaja lalàna fa tsy mampitahotra


  • Alakamisy 20 Febroary 2020

Fampiharana ireo fihetsika ara-dalàna rehetra mialoha sy mandritra ny fanakanana fiara na môtô,

 

  

 fanovana ny fomba firesaka entina manaja ny mpamily no  entin’ny polisim-pirenena hanakaikezana hatrany ny vahoaka  sy hanatsarana ny fomba fiasany amin’izao  mba hanabeazana ny olom-pirenena ao anatin’ny fanarahana ny lalàna. Ireo amin’ny ankapobeny  no antony nampiatoana kely ny asan’ny police de la route teo aloha. Nanaraka fianarana sy fiofanana ny polisy. Ankoatra ny fampahafantarana sy fampanajana ny lalàna dia tsy maintsy manaja ny olona ihany koa ny polisy ary misy fihetsika efa fanao amin’izany. Tsy mpanasazy fotsiny ny polisy fa mpanabe vahoaka ihany koa, ary hafa ihany ny asa atao ao anatin'ny fifanajana. Mora miditra ao an-tsain'ny olona ny lalàna sy ny  fitsipika rehefa tsotra ny fanazavana azy fa tsy amin'ny tsindry bokotra sy kitakita na avonavona sanatria. Ho an’ny etsy Anosy manokana dia mahafaly ny vahoaka ny ezaka hataon’ireo polisy izay marihina fa tsy maintsy  manao badge foana sady mampianatra amin’ny fiampitana arabe ihany koa.

Pati

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT