Fampiharana ireo fihetsika ara-dalàna rehetra mialoha sy mandritra ny fanakanana fiara na môtô,
fanovana ny fomba firesaka entina manaja ny mpamily no entin’ny polisim-pirenena hanakaikezana hatrany ny vahoaka sy hanatsarana ny fomba fiasany amin’izao mba hanabeazana ny olom-pirenena ao anatin’ny fanarahana ny lalàna. Ireo amin’ny ankapobeny no antony nampiatoana kely ny asan’ny police de la route teo aloha. Nanaraka fianarana sy fiofanana ny polisy. Ankoatra ny fampahafantarana sy fampanajana ny lalàna dia tsy maintsy manaja ny olona ihany koa ny polisy ary misy fihetsika efa fanao amin’izany. Tsy mpanasazy fotsiny ny polisy fa mpanabe vahoaka ihany koa, ary hafa ihany ny asa atao ao anatin'ny fifanajana. Mora miditra ao an-tsain'ny olona ny lalàna sy ny fitsipika rehefa tsotra ny fanazavana azy fa tsy amin'ny tsindry bokotra sy kitakita na avonavona sanatria. Ho an’ny etsy Anosy manokana dia mahafaly ny vahoaka ny ezaka hataon’ireo polisy izay marihina fa tsy maintsy manao badge foana sady mampianatra amin’ny fiampitana arabe ihany koa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.