Sosialy

Petra-bola “Tsinjo Lavitra” Maherin’ny 460 000 ireo mpampiasa azy


  • Talata 05 Febroary 2019

Somary taraiky i Madagasikara eo amin`ny sehatra ara-banky. Miroso amin`ny fandraharahana ara-bola (Inclusion financière) ny paositra Malagasy(PTT) ankehitriny ary hataony fanamby noho ny soso-kevitra avy amin`ny vondrona iraisam-pirenen`ny paositra (UPU).

 

 Ho an`ny paositra Malagasy, ny fampandrosoana ny fampiasana ny petra-bola dia anisan`ireo tanjona ao anatin`ny firosoana  amin`ny fandraharahana ara-bola.  Manatsara sy manamafy ary manao izay hampivoarana ny asany eo amin’ny tolotra fitehirizana na fandefasana vola efa nananany hatramin’izay. Ohatra ny tolotra « Tsinjolavitra » mahasolo ny asan’ny banky any amin’ireny faritra tsy ahitana banky ireny. Na teo aza ny olana ara-toekarena nosedrain`ny firenena, miakatra hatrany ireo liana amin`ny fampiasana ireo tolotra fitehirizana. Ny taona 2004 no niforona ny tolotra “Tsinjo Lavitra” izay napetraka ny hanampy ny olona amin'ny fitarihizam-bola, indrindra ho an’ireo any ambanivohitra manoloana ny tsy fandriampahalemana. Feno 15 taona ny “Tsinjo Lavitra” ary maherin`ny 460 000 ireo mpampiasa ity petra-bola ity manerana ny Nosy ary masoivohon’ny paositra miisa 254 eto Madagasikara no ahitana ny Tsinjo Lavitra, hahafahana maka sy mametraka vola. Nandritra ny lahateniny, nilaza ny tale jeneralin`ny PTT, Ranarison Richard fa ho fanamby apetraka ao anatin’ny dimy taona manaraka ny hahatonga ny isan’ny mpanjifa ho iray (1) tapitrisa. Manana ny tolotra fandefasam-bola faran’izay haingana mankany am-pitan-dranomasina ihany koa ny “Tsinjo Lavitra”, ary anisan’ireo tahirim-bola manana fandrakofana matanjaka indrindra eto amintsika. Ho an`ny “Tsinjo Lavitra”, ny tahan`ny petra-bola isan-taona dia 4%. Tolotra ho an`ireo mpanjifa izay misintona vola matetika (de type dépôt à vue). 6% ho an`ny tolotra « Tsinjo Avotra » izay natokana ho an`ireo izay tsy misintona vola mandritra ny enim-bolana hatramin`ny herintaona. 6,5% kosa ho an`ny “Tsinjo Fahanterana”, izay mametraka petra-bola natokana ho an`ny fisotron-dronono. Nosokafana omaly tamin`ny fomba ofisialy omaly alatsinainy 4 febroary teny amin’ny Paositra Analakely ny fankalazana ny faha-15 taona nisian’ny petra-bola Tsinjo Lavitra eo anivon’ny Paositra Malagasy. Mbola hitohy hatramin’ny anio tontolo andro, ny fanentanana sy fanokafana kaonty Tsinjo Lavitra ho an’ireo mandalo eny amin’ny Paositra Analakely. 

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT