Sosialy

Petite vitesse, Anosibe Nakatona avokoa ny tsena


  • Alatsinainy 30 Martsa 2020

Manoloana ny fitangoronan’ny olona marobe eny amin’ireo toerana ahitana tsenamaro toa an’Anosibe, Ambodin’Isotry,

 

ary Petite vitesse dia mandray fepetra avy hatrany ny eto anivon'ny Polisim-pirenena niarahana tamin'ny Polisy monisipaly ary ny eo anivon'ny Fiarovam-pirenena ny amin’ny fanakatonana ireny tsena ireny. Naparitaka ihany koa ireo olona mbola tonga maro teny amin’ireny toerana ireny. Nentanina hamonjy fodiana ihany koa ireo olona sasany izay mivorivory tsy misy atao eny rehetra eny. Izao fepetra izao no noraisina dia mba hitandroana ny tsy hipariahan'ny valan'aretina Coronavirus ary ho fiarovana ny fahasalaman'ny mponina tsirairay.Tsara ho marihana moa fa tsy maintsy mikatona avokoa ny tsena sy ny trano fivarotana rehetra aorian’ny amin’ny 12 ora atoandro araka ny didy navoakan’ny fitondram-panjakana mba hisorohana ny fitangoronan’ny olona izay manamora ny fiparitahan’ny Coronavirus.

 Nangonin' i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT