I Madagasikara irery maneran-tany no mbola firenena ahitana aretina pesta ary eto ihany no mbola ahitana famadihan-drazana isan-taona.
Misy hifandraisany amin’ny aretina pesta izy io, hoy ny dokotera Fidy Bariniaina. Rehefa tonga mantsy ny fotoam-pamadihana dia mahazo vahana ihany koa ny pesta matetika. Rehefa misokatra ny fasana dia mivoaka ihany koa ireo karazana mikraoba avy amin’ireo olona matin’ny pesta milevina ao am-pasana ka tsy mahagaga raha tsy mety lefy izy io eto amintsika fa mipoitra hatrany. Ny vanim-potoanan’ny ririnina no tena mampahazo aina ny mikraoka ka mampatanjaka be azy ireny rehefa mivoaka ety ivelany. Ny fampiatoana ny famadihan-drazana ihany no vahaolana tsara indrindra raha tiana ny hiady amin’ny aretina pesta, hoy hatrany ity dokotera iray ity. Misy karazany telo ny pesta misy dia ny pesta atoditariana, ny pesta aretin-tratra ary ny pesta septisemika izay mety hahafaty avokoa raha tsy voatsabo haingana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.