Sosialy

Permis sy Carte grise biometrika Mbola 30% ireo tsy voavadika


  • Alarobia 20 Jona 2018

Mbola betsaka ireo olona tsy nahavita namadika ny taratasy fahazoan-dalana mamily fiara sy ny carte grise-ny ho biometrika amin’izao fotoana izao.

Raha araka ny fanadihadiana  natao teo anivon’ny minisiteran’ny atitany mantsy dia mbola mahatratra hatrany amin’ny 30 % ny totalin’izy ireo manerana ny Nosy ka ny eto an-drenivohitra no betsaka indrindra. Tokony hifarana amin’ity volana jona ity anefa ny famadihana ireo antontan-taratasy ireo hanjary ho biometrika saingy tsy maintsy hahemotra, raha araka ny loharanom-baovao azo. Aorian’ny fivoriana maika hiarahana amin’ny minisitra vaovao vao ho fantatra ny daty mifandraika amin’izany. Fanin-telony amin’ity raha tanteraka ny fanemorana ny famadihana ny carte grise sy ny permis hanjary ho biometrika. Saika sahirana amin’ny asa fivelomany avokoa mantsy ny rehetra ka rehefa antomotra foana ny fotoana vao mihazakaza  manatona ny centre immatriculateur etsy Ambohidahy, antony tena mampitaraina ireo tompon’andraikitra. Amin’ny andavanandro anefa  tsy misy afa-tsy roa sy telo.

 

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT