Sosialy

PEPINIERE JOACHIN Mivarotra ireo zanakazo efa lany tamingana


  • Alatsinainy 03 Febroary 2020

Miaina tanteraka ao anatin’ny fiovaovan’ny toetr’andro isika ankehitriny.

 

 

 Vokatry ny fahapotehan’ny tontolo iainana, indrindra fa ny fandripahana ny hazo no antony mahatonga izany. Tsy vitsy ireo Malagasy no miezaka mamboly hazo sy mitady hevitra hanatsarana izany toa an-dRabenaivo Joachin izay niketrika tanin-janakazo misy ireo hazo efa lany tamingana tao anatin’ny 9 volana. Eny amin'ny By Pass Mandikanamana no misy io toerana io. Misokatra ho an'ny daholobe ny pépinière Joachin, indrindra amin'izao fotoam-pambolen-kazo izao. "Tsy nisy nanampy aho fa niezaka mafy tamin'ny fambolena ireo zanakazo ireo, hoy izy. Rehefa tonga tamin'ny fahenimbolana dia nanontany tena aho: Iza no hitokana azy ity ? Ny filohan'ny holafitry ny mpanao gazety, Rakotonirina Gérard no niriako ka dia nitady azy aho ary nifankahazo izahay ka nanaiky ny fangatahako izy", hoy Rabenaivo Joachin nandritra fanokafana tamin'ny ofisialy ny tanin-janakazony ny faran’ny herinandro teo. Mampiavaka ny pépinière Joachin ny fananan'ireo hazo ala efa ho lany tamingana, toy ny hintsy, mandravasarotra, mandrorofy, arofy...Manana ireo zava-maniry na hazo hanangoinana ny zaridaina ihany izy. Nambarany fa mamerina amin'ny laoniny ny toetr'andro ny fambolen-kazo, indrindra ireo hazo ala. Tsiahivina fa efa niasa an-taonany maro teny anivon'ny sampandraharaha misahana ny rano sy ny ala ny tenany

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT