Sosialy

Pavillon Analakely Vehivavy mihajabe sy ankizy no tena mpangalatra


  • Alakamisy 19 Novambra 2020

Lasa faritra mena tanteraka ny eny amin’ny pavillon Analakely noho ny

 

 

hamaroan’ireo mpangalatra sy mpangarom-paosy. Raha araka ny fanazavan’ny renim-pianakaviana iray mpivarotra eny an-toerana dia vehivavy mihajabe sy ankizy ny ankamaroan’ireo manao izany. Ho an’ireo vehivavy dia miaraka 2 izy ireo raha kely. Mody manontany entana ny iray no sady mampiresaka. Rehefa variana ilay mpivarotra dia sady mampiditra entana ao anaty harona ny iray no mbola mahavita mangarom-paosy ihany koa. Toy ny manao fandraikiraikena anefa ireo mpangalatra mandritra izany hoy hatrany ity renim-pianakaviana mpivarotra ity ka tsy mahatsiaro tena ilay mpivarotra raha tsy efa lasa ora iray izy ireo. Ho an’ireo efa very finday indray dia fantatra fa ireo ankizilahy kely no tena manao izany ka tsy mahatsiaro tena ireo voa raha tsy ora iray miala eo amin’ny toerana nahaverezan’ilay finday. Ireo vehivavy mitondra zaza miaraka amin’ny harona moa matetika no tena lasibatra amin’izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT