Sosialy

Pavillon Analakely Nitokona ny mpivarotra


  • Talata 16 Aprily 2019

Nitokona tsy nisy nety nivarotra omaly alatsinainy ireo mpivarotra miisa 900 etsy amin’ny pavillon Analakely. Anton’izany ny tsy faneken’izy ireo ireo trano vy mpivarotra friperie eo ampitany izay kasain’ny kaominina hafindra vonjimaika manoloana azy ireo. Hasiam-panamboarana mantsy ny tata-drano amin’ny faritra misy ireto mpivarotra ireto ka tsy maintsy hafindra toerana izy ireo.

 

Nambaran-dRakotonirina Claude, filohan’ny fikambanan’ireo mpivarotra etsy amin’ny pavillon fa  enim-bolana aza no fotoana nifanarahan’izy ireo tamin’ny kaominina nametrahana ireo trano vy ireo eny am-pitany saingy mandraka androany, tsy nafindra izy ireo, fotoana izay efa nitombo enim-bolana hafa indray. Ankehitriny indray, mbola tadiavina hafindra eo anoloanay mihitsy ireo mpivarotra amin’ny trano vy ka tsy azonay ekena intsony.  Rehefa nanontaniana ny mahakasika izany indray anefa Rtoa Sahondra,  anisan’ireo mpivarotra  amin’ny trano vy mpikambana ao amin’ny  FIMPIZOMA ( Fikambanan’ny mpivarotra mijoro an-dalàna eo andohan’Analakely) dia nambarany fa manaiky ny fandaminana hataon’ny kaominina hatrany izy ireo. Ny nampalahelo anefa, hoy izy dia nisy namotika ny tranovinay iray nandritra ny famindrana nataon’ny kaominina omaly maraina izay fantatr’izy ireo tsara ny olona nanao azy ary ananany porofo ara-dalàna.  Miantso ny kaominina hijery akaiky ny olana sedrain’izy ireo, araka izany, ireto mpivarotra amin’ny trano vy eny am-pitan’ny pavillon Analakely ireto izay mahatratra 500 isa ihany koa.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT