Sosialy

Paty sy vovo-tsavony avy any ivelany Manomboka mihena ireo vokatra tonga eto Madagasikara


  • Zoma 10 Mey 2019

Taorian’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny minisiteran’ny varotra sy ny ANMCC (Autorité Nationale Chargée des Mesures Corectives Commerciales) ny amin’ny fampiakarana ny hetra alaina amin’ireo entana avy any ivelany toy ny bodofotsy ho 41 %,

 

 

 

 

  ny paty ho 30 % ary vovo-tsavony ho 39 % avy izay tena mitobaka be tokoa eto amintsika dia fantatra izao fa efa manomboka misalasala ireo mpanafatra. Mihena vokatr’izany ireo entana avy any ivelany mitosaka  eny an-tsena ka manomboka mahazo vahana ny vokatra vita Malagasy, hoy Atoa Berthelemy, tale jeneralin’ny ANMCC. Efa saika vovo-tsavony sy paty avy eto an-toerana avokoa no hita eny an-tsena izay fantatra fa mbola hiampy ny vokatra avy amin’ireo orinasa roa vaovao indray hisahana ny famatsiana ny tsena anatiny. Raha tsiahivina, tamin’ny 11 aprily lasa teo no nampiharana voalohany ny didim-pitondrana laharana 7094  hoenti-mampiakatra ny hetra alaina avy amin’ireo entana avy any ivelany ireo. Mbola azo aato ihany anefa izany, hoy Atoa Berthelemy raha toa ka  misy olana ny famatsian’ireo orinasa Malagasy ny tsena anatiny saingy tsy mbola hita taratra aloha hatreto. Ho an’ireo entana avy any ivelany kosa dia fantatra fa karazana kojakoja miisa efatra ilaina amin’ny fiainana andavanandro  indray izao no mampitaraina ireo orinasa Malagasy ka anisan’ireny ny rononomandry mamy izay mitobaka be tokoa.

Pati



Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT