Sosialy

Pastera Heritiana « Tena mila fitandremana io fihetsem-po mahafaty tampoka io »


  • Alatsinainy 13 Febroary 2023

Betsaka ireo olona maty vokatry ny fihetsem-po tato ho ato. Ankoatra ireo tapaka lalan-dra noho ny fahatairana sy ny hafaliana na koa noho ny hatezerana dia tsy vitsy ireo tsy miverina intsony ny ainy rehefa misy zavatra tena

mahakasika ny fony manokana. Porofon’izany ny fisian’ireo olona roa namoy ny ainy tamin’ny fandresen’ny ekipam-pirenena Barea farany teo. Raha araka ny fanazavan’ny pastera Heritiana Randriarimalala dia miankina amin’ny zavatra mibahana ao anatin’ny fon’ny olona iray no mety hahatonga izany na tsia. Raha baolina ohatra no tena tiany ary hanokanany fotoana manokana sy handrian’ny sainy mihitsy dia mety hahafaty azy tampoka izany raha misy fandresena na faharesen’ilay ekipa tohanany. Raha ny vadiny kosa no tena tiany ka sanatria maty tampoka ity farany dia mahavita mamono tena manaraka an’iny ihany koa izy na dia manan-janaka mbola tokony hisahanina aza. Mila zarazaraina ny zavatra ao am-po araka izany hoy hatrany pastera Heritiana. Misy ny hatokana ho an’ny asa, misy ny hatokana ho an’ny fanompoana an’Andriamanitra, misy ho an’ny ankohonana, misy ho an’ny namana sy mpiara-miasa arahin’ny fahaizana mandanjalanja.
Pati
Legende : Mila mahay mandanjalanja ny zavatra atao eo amin’ny fiainana isika, hoy ny Pastera Heritiana Randriarimalala
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT